Dingana

Malagasy

ملاغاشي

Fanazavana zava-dehibe

1 vidéo
PDF

Fasana

3 vidéo
Description of Wudu
0:00 / 0:00
How to Perform Wudu
0:00 / 0:00
Wudu Affairs
0:00 / 0:00

Fitoriana

3 vidéo
Description of Prayer
0:00 / 0:00
Salah with Duaa
0:00 / 0:00
How to Perform Prayer
0:00 / 0:00

Fanontaniana zava-dehibe

272 fanontaniana
TARANJA - NY FOTOPINOANA42

Fanontaniana1 : Iza no tomponao?

Valiny : Tompoko dia i Allah, ilay nahary sy nanabe ahy ary nanabe an'izao tontolo izao noho ny fahasoavany.
Ary ny porofo dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Fisaorana sy fankasitrahana ho an'i Allah, tompon'izao tontolo izao. [ Sourat Al-fatiha : 2 ].

Fanontaniana 2 : Inona ny finoanao?

Valiny2 : Ny finoako dia Islam izay midika ho : fanolora-tena feno ho an'i Allah amin'ny alàlan'ny fanokanana azy, fanekena azy amin'ny alàlan'ny fankatoavana, ary fanalavirana ny fanompoan-tsampy sy ny fianakaviambeny.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ny finoana marina sy manan-kery eo anatrehan'i Allah dia ny finoana Islam]. [ Sourate-Àl-'imran : 19 ].

Fanontaniana3 : Iza ny Mpaminaninao?

Valiny3 : i Mouhammad (S.W.A).
Niteny i Allah manao hoe :
(i Mouhammad dia Irak'i Allah). [ Sourate-Àl-fathi : 29 ]

Fanontaniana4 : Lazao ny teny fanokanana an'i Allah sy ny dikany?

Valiny4: Teny fanokana an'i Allah dia "LAILAHA ILLALLAHOU", izay midka : Tsy misy tompo azo tompoina am-pahamarinana afa tsy i Allah".
Niteny i Allah manao hoe :
{ Ary fantaro fa izy (Allah), Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah...} [ Sourat Mouhammad :19 ].

Fanontaniana5 : Aiza no misy i Allah ilay avo Tsitoha?

Valiny5 : i Allah dia any an-danitra, eo ambonin'y Seza fiandrianany, ary eo ambonin'y zava-boary rehetra ka, niteny i Allah manao hoe : ilay be Fiantrana dia mitoetra eo ambonin’ny Seza Fiandrianana. [ Sourate-Twaha : 5 ]. Ary mbola niteny ihany koa : 18- Izy no tompom-pahefana faratapony amin’ireo mpanompony, Ary izy no ilay be Fahendrena sy mahalala ny zava-drehetra. [ Sourate-Al-An'ame : 18 ].

Fanontaniana6 : Inona no dikan'ny teny hoe : Mijoro vavolombelona fa i Mouhammad Irak'i Allah?

Valiny6 : Ny dikany dia : Nalefan'i Allah ho an'izao tontolo izao mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina ihany koa.
Ka voadidy ny :

1-Fankatoavana azy amin'izay nodidiany.
2-Finoana azy amin'izay lazainy.
3-Tsy mikomy azy.
4-Tsy manompo an'i Allah afa-tsy amin'ny fitsipi-dalàna nomeny, dia ny fanarahana ireo fomba amam-panao ary mamela ny forona.
Niteny i Allah manao hoe :
(Izay nakatoa ilay Iraka dia efa nankatoa an'i Allah) [Sourate-Anissay :80] ary mbola niteny ilay avo Tsitoha manao hoe : (Ary tsy miteny araky ny sitrapony izy, fa izay lazainy dia faminaniana tonga taminy). [Sourate-An-Najmou : 4,3]. Ary niteny ilay avo indrindra manao hoe : Tena manana ohatra fakan-tahaka tsara tokoa ianareo amin'ny Irak'i Allah ho an'izay manantena an'i Allah sy ny andro farany, ary mahatsiaro an'i Allah mandrakariva. [ Sourate-Al-Ahzab : 21 ].

Fanontaniana7 : Fa maninona isika no namboarin'i Allah?

Valiny7: Namboarin'i Allah isika mba hanompo azy irery, tsy misy mikambana aminy.
Tsy noho ny kilalao na rendrarendra.
Niteny i Allah manao hoe :
Ary tsy nohariko ny jiny sy ny olombelona afa-tsy hanompo ahy. [ Sourat AZ-Zariati : 56 ].

Fanontaniana8 : Inona ny atao hoe : Fanompoana?

valiny8 : Ny fanompoana dia anarana feno entina ilazana izay rehetra tian'i Allah sy ankasitrahiny, amin'ny alàlan'ny fihetsika sy fiteny miafina sy mibaribary.
Ny miharihary :
Toy ny fanaovana tonimbavaka (Zikri) amin'ny lela sy ny fitenenana : SOUBHANALLAHI, ALHAMDOULILLAHI, ALLAHOU AKBAR, ao ihany koa ny Swalat sy ny Hadj.
Ny miafina :
Toy ny fitokisana, fatahorana ary fanantenana.

Fanontaniana9 : Inona tokoa ny adidy goavana indrindra napetraka amintsika?

Valiny9 :Ny adidy goavana indrindra napetraka amintsika dia ny fanokanana an'i Allah ilay avo Tsitoha.

Fanontaniana10 : Inona avy ireo karazana fanokanana an'i Allah (TAWHID)?

Valiny10 : 1-Fanokana an'i Allah amin'ny maha tompo mpiahy azy (Tawhid Roboubya) : Izay midika hoe : Finoana fa izy Allah no tompo mpahary, mpanome anjarampivelomana, mpanjaka sy mpandrindra, Izy irery ary tsy misy mpikambana aminy.
2-Fanokanana an'i Allah amin'ny fanompoana azy (Tawhid Oulouhya) : Izay midika hoe : Fanokanana an'i Allah amin'ireo karazam-panompoana rehetra atao, Ka tsy misy olona na zavatra hafa tompoina afa tsy i Allah ilay avo tsitoha.
3-Fanokanana an'i Allah amin'ny anarana sy toetrany (Tawhid Asmaa Wa Swifatihi) izay midika hoe : Finoana ireo anaran'i Allah sy ny toetrany izay voarakitra ao amin'ny boky masina Coran sy ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W), tsy misy fanoharana, na fampitovizana na fanimbana.
Ary ny porofo manamarina ireo fizaran'ny fanokanana an'i Allah telo ireo :
Ilay tenin'i Allah manao hoe : 65-Izy (Allah) no tompon’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelany, Ka tompoy izy, ary manàna faharetana eo am-panompoana azy, ka moa ve mahafantatra ny mitovy aminy ianao? [ Sourat Mariam : 65 ].

Fanontaniana11 : Inona ny fahotana lehibe indrindra?

Valiny11 : Ny fampirafesana ny fanompoana an'i Allah amin'ireo zavaboariny.
Niteny i Allah nanao hoe :
48-Tompo Allah tsy mamela heloka izay nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa. Fa izy kosa mamela heloka amin’izay ankoatr'io ho an'izay tiany. Ka na iza na iza nampitambatra an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia efa nanao fahotana lehibe. [ Sourate-An-Nissa : 48 ].

Fanontaniana12 : Lazao ireo karazan'ny fampirafesana an'i Allah (Chirk)?

Valiny12 : Ny fampirafesana an'i Allah (Chirk) : Dia karazana fanompoam-pivavahana miantefa amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah.
IREO KARAZANY :

- Ny Chirk lehibe : Toy ny fangatahana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah, Na fiankohofana amin'ny zavatra hafa ankoatra azy, Na koa fanaovana sorona amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah.
- Ny Chirk kely : Toy ny fianianana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah, na ny fiaro (Hirizy), izy io dia zavatra ahantona eny amin'ny trano mba ahazoana fahasoavana na hanoherana loza, ny fizahozahona (Ri-Yat),tahaky ny manatanteraka Swalat amin'ny endrika tsara mba hohitan'ny olona.

Fanontaniana13 : Moave misy mahafantatra zava-miafina ankoatr'i Allah?

Valiny13 : Tsy misy mahafantatra ny zava-miafina afa-tsy i Allah irery ihany.
Niteny i Allah manao hoe :
Lazao hoe : “Tsy misy mahalala ny zava-miafina na iza na iza amin'ireo rehetra any an-danitra sy ny eto an-tany afa-tsy i Allah, Ary tsy fantatr'izy ireo rahovina no hampitsanganana azy ireo amin'ny maty". [ Sourat An-Naml : 65 ].

Fanontaniana 14 : Tanisao ireo fototra hiorenan'ny Foto-pinoana?

Valiny14 : 1-Ny finoana an'i Allah ilay avo Tsitoha.
2- Ny finoana ireo anjely.
3-Finoana ireo bokiny.
4-Finoana ireo Irany.
5-Finoana ny andro farany.
6-Finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy.
Ary ny porofo dia ilay Hadith Jibril fanta-daza, Hoy i Jibril tamin'ny Mpaminany (S.A.W) : Lazao amiko ny atao hoe : FINOANA, namaly izy manao hoe : Ny atao hoe finoana dia ny finoanao an'i Allah, sy ireo anjeliny, ireo bokiny, ireo Irany, sy ny andro farany, ary ny finoanao ny lahatra tsara sy ny ratsy.

Fanontaniana15 : Azavao tsirairay ireo fototra hiorenan'ny foto-pinoana?

Valiny15 : - Ny finoana an'i Allah ilay avo Tsitoha :
Mino ianao fa i Allah no nahary sy mpanome anjarampivelomana anao, ary izy irery no mpanjaka sy mpandrindra fiainan'ireo zavaboary.
Ary izy no tompoina ka tsy misy azo tompoina am-pahamarinana afa-tsy izy irery.
Ary izy no avo indrindra, Lehibe, Lavorary, Azy ny dera rehetra, ary manana ireo anarana tsara Indrindra sy ny toetra lafatra indrindra, tsy misy mira-lenta aminy, ary tsy misy mitovy endrika aminy.
Ny finoana an'ireo anjely :

Izy ireo dia zavaboary noharian'i Allah tamin’ny hazavana, mba hiankohoka eo anatrehany ary hanaiky tanteraka ny didiny.
-Isan'izany i Jibril (A.S) izay mitondra ny faminaniana midina ho any amin'ireo Mpaminany.
Ny finoana ireo boky :

Izy ireo boky nampidinin'i Allah amin'ireo Irany.
- Toy ny boky masina Coran : nampidinina tamin'i Mouhammad (S.W.A).
- Ny Evanjily nampidinina tamin'i Issa (A.S) na i Jesoa Kristy.
- Ny Taoraty nampidinina tamin'i Moussa (A.S).
- Ny Zabora nampidinina tamin'i Daoud (A.S).
- Ny Takelakan'i Ibrahim sy Moussa dia nampiidinina tamin'ny Mpaminany Ibrahim (A.S) sy i Moussa (A.S).
Ny finoana ireo Iraka :

Izy ireo no nalefan'i Allah ho any amin’ny mpanompony mba hampianatra azy ireo, hitondra vaovao mahafaly sy ny Paradisa, ary hampitandrina azy ireo amin’ny ratsy sy ny afobe.
Ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia :
(OLOUL-AZMI), ireto avy izany :
i Nouh na i Noa (A;S).
i Ibrahim na i Abrahama (A;S)
i Moussa na i Mosesy (A;S).
i Issa na i Jesoa Kristy (A;S).
i Mouhammad (S.A.W).
Ny finoanana ny andro farany :

Izy io dia fiainana aorian’ny fahafatesana manomboka ao am-pasana, sy ny andro farany, ary ny andro fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana, izay hitoeran’ny olon’ny Paradisa ao amin'ny toerany ary ny olon’ny Afobe ao amin'ny toerany.
Ny finoana ny lahatra tsara sy ny ratsy :

Ny lahatra : Izy io dia finoana sy fanekenao fa i Allah mahafantatra ny zava-mitranga rehetra eto amin’izao tontolo izao, ary efa nosoratany tao amin’ny takelaka voatahiry izany, ary sitrapon'i Allah ny fisiany sy ny famoronana azy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ny zava-drehetra dia efa noharianay tamin'ny lahatra sahaza azy avokoa). [ Sourate-Al-Quamar : 49 ].
ary izy io dia mizara amin'ny ambaratonga efatra :

Ny Voalohany : Ny fahalalan’i Allah ilay Tsitoha, anisan’izany ny fahalalany mialoha ny zava-drehetra, mialoha sy ao aorian’ny fisehoan-javatra.
Porofo amin'izany, dia ilay tenin'i Allah manao hoe : Marina tokoa fa eo amin'i Allah ny fahafantarana ilay ora farany, ary izy no mampilatsaka ny ranon'orana, ary izy ihany koa no mahafantatra ny ao am-bohoka. Ary tsy misy olona mahafantatra izay hahazo azy rahampitso sy izay tany ahafatesany. Fa i Allah no mahalala ny zava-drehetra. [ Sourat Lokomany : 34 ].
Ny Faharoa :
Efa nosoratan’i Allah tao amin’ny takelaka voatahiry antsoina hoe : LAWHOUN MAHFOUZ izany, ka izay rehetra nitranga sy izay mbola hitranga dia efa voasoratra miaraka ao anaty boky.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ary izy (Allah) irery ihany no mitana ireo fanalahidin'ny zava-miafina, Tsy misy mahafantatra izany afa-tsy izy, ary fantany avokoa izay any anaty tany sy any anaty ranomasina. Ary tsy misy na dia ravinkazo iray mihintsana aza ka tsy fantany. Ary tsy misy na voa iray ao anaty haizin-tany na mando na maina ka tsy voarakitra mazava tsara ao anatin'ny boky. [ Sourat Al-An'Am : 59 ].
Ny fahatelo :
Ary amin'ny sitrapon'i Allah no hitrangan'ny zava-drehetra, ka tsy misy na inona na inona mitranga avy aminy na amin'ny zavaboariny raha tsy amin'ny sitrapony.
Porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ho an'izay te hanaraka ny làlana mahitsy aminareo. Fa tsy ho tanteraka mihitsy ny sitraponareo raha tsy sitrak'i Allah ilay tompon'izao tontolo izao. [ Sourate-At-Takwiry : 28,29 ].
Ny Fahefatra :
Ny finoanao fa noforonin’i Allah avokoa ny zavaboary rehetra, ary Izy no nahary ny tenany, ny toetrany, ny fihetsiny ary ny zavatra rehetra ao aminy.
Porofo manambara izay ilay tenin'i Allah manao hoe :
Ary i Allah no nanamboatra anareo sy izay ataonareo. [ Sourate-Soafaty : 96 ].

Fanontaniana16 : Inona no famaritana ny boky masina Koroany?

Valiny16 : Izy io dia tenin’i Allah ilay Tsitoha fa tsy zavaboary.
Niteny i Allah manao hoe :
Ary raha nangataka fialofana aminao ny anakiray amin'ireo mpanompo sampy, dia ekeo izany mba handrenesany tenin'i Allah ... [ Sourate-A-taobat : 6 ].

Fanontaniana17 : Inona ny atao hoe SOUNNA?

Valiny17 : Ny Sounna dia ireo teny sy fihetsika ary izay rehetra nankatoavin'ny Mpaminany (S.A.W), na toetra voajanahary sy ny tsy voajanahary.

Fanontaniana18 : Inona ny atao hoe Forona (Bidian)? Ary tokony hankatoa azy ve isika?

Valiny18 : Ny Bidian dia ireo zava-baovao noforonon'ny olombelona ary nampidiriny ao anatin'ny finoana, nefa tsy mbola nisy tamin'ny vanom-potoan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo mpanara-dia azy.
Tsy ekentsika ary averintsika any amin'ilay namorona azy.
Araky ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny forona rehetra dia fahaverezana". Notaterin'i Abo Dawod (R.A).
Ohatra:
Ny fampitomboana amin'ny resaka fanompoana, toy ny fanasana fahaefatra rehefa manao Ouzou, sy ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny Mpaminany (S.A.W), nefa tsy nataon'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny mpiara-dia aminy izany.

Fanontaniana19 : Lazao ny foto-pinoana AL-WALAA sy AL-BARAA?

Valiny19 : Ny AL-WALAA : Fitiavana an'ireo mpino silamo sy ny fanohanana azy ireo.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo mpino lahy sy vavy, dia mpinamana akaiky sy mifanohana...). [ Sourate-A-taobat : 71 ].
Ny AL-BARAA :Fankahalana ireo mpikomy sy fiadivana amin'izy ireo.
Niteny i Allah manao hoe :
{Efa nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Mpaminany Ibrahim, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : “Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatr'i Allah. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’i Allah tokana ianareo”}. [ Sourate-Al-moumtahanah : 4 ].

Fanontaniana20 : Moa ve eken'i Allah ny fanarahana finoana hafa ankoatry ny finoana Islam?

Valiny20 : Tsy eken'i Allah afa-tsy ny finoana Islam ihany.
Niteny i Allah manao hoe :
(Fa izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana islam; dia tsy ho voaray izay rehetra hataony, ary izy isan'ireo matiantoka indrindra any an-koatra). [ Sourate-Àl-'imran : 85 ].

Fanontaniana21 : Ny tsy finoana (fikomina) dia miseho amin'ny teny sy ny asa ary ny finoana, Omeo ohatra amin'izany?

Valiny21 : Ohatra iray amin'ny teny : faniratsirana sy fanopana an'i Allah ilay avo tsitoha na ny Irany.
Ohatra amin'ny fihetsika :
Fanevatevana ny boky masina Koroany na ny fiankohofana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'i Allah.
Ohatra amin’ny finoana :
Ny finoana fa misy olona mendrika hivavahana ankoatra an’i Allah ilay avo Tsitoha, na misy mpahary hafa miaraka amin’Allah.

Fanontaniana22 : Inona no atao hoe fihatsarambelatsihy sy ny karazany?

Valiny22 : Ny fiatsarambelatsihy dia fanehoana ny tsara ary fanafenana ny ratsy.
1- Ny fihatsarambelatsihy lehibe indrindra : Fanafenana ny fikomiana ao am-po ary fanehoana miharihary ny finoana.
Ary mamoaka ny olona ao amin'ny Islam ny fikomiana lehibe.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marinafa ireo mpihatsaravelatsihy dia hitoetra ao amin'ny ambany indrindra amin'ny Afobe ary tsy ahita famonjena ho azy ireny na ovina na ovina ianao). [Sourate-An-Nissa : 145].
2- Ny fihatsarambelatsihy kely :
Ohatra: Toy ny mandainga, tsy mitazona ny teny nomena, ary mivadika amin’ny fitokisana.
Fa tsy mamoaka olona ao amin’ny finoana silamo izany, Saingy ahazo fahotana sy iharan’ny sazy ny mpanao azy.
Niteny ilay Irak'i Allah manao hoe :
"Famantarana ireo mpihatsaravelatsihy dia telo : - Rehefa miresaka dia mandainga, - Rehefa mampanantena dia tsy manatanteraka, -Rehefa nametraham-pitokisana dia mivadi-pitokisana. [Notaterin'i Al-bokhàri sy Moslimo].

Fanontaniana23 : Iza no farany tamin'ireo Mpaminany sy Iraka?

Valiny23 : i Mouhammad (S.A.W).
Niteny i Allah manao hoe :
(Tsy rain'iray amin'ireo lehilahy ao aminareo velively i Mouhammad (S.A.W), fa Irak'i Allah ary farany amin'ireo Mpaminany izy ...). [Sourate-Al-Ahzab : 40]. Ary niteny ilay Irak'i Allah manao hoe : "Ary izaho no farany amin'ireo Mpaminany ary tsy hisy intsony ny Mpaminany ao aoriako". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi ary ankoatra azy ireo (R)].

Fanontaniana24 : Inona no atao hoe fahagagana?

Ny fahagagana : Dia fanomezana sy hery mihoatry ny mahazatra atsika olombelona, izay nomen'i Allah ireo Mpaminany mba hanaporofoina ny fahamarinana noentin'izy ireo, toy ny :
Fitresahan'ny volana naton'ny Mpaminany (S.A.W).
Ary fivakisan'ny ranomasina nataon'i Moussa (A.S) ka naharendrika an'i Fir'aouna sy ireo miaramilany.

Fanontaniana25 : Iza ireo mpanaradia an'ny Mpaminany (S.A.W)? Ary tokony ho tia azy ireo ve aho?

Valiny25 - Ny mpanaradia : Izy ilay niara-niaina tamin'ny Mpaminany (S.A.W), nino azy ary maty tao anatin'ny finoana Islam.
-Mankatia azy ireo isika ary maka tahaka azy ireo, ary izy ireo no olona tsara indrindra sy mendrika indrindra taorian’ireo mpaminany.
- Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia ireo mpandimby an'ny Mpaminany (Khalifa) efatra ireto :
1- Abou-Bakri (R.A).
2- Oumar (R.A).
3- Outhman (R.A).
4-Ali (R.A).

Fanontaniana26 : Iza ireo Renin'ny mpino?

Valiny26 : Ireo dia vadin'ny Mpaminany (S.A.W).
Niteny i Allah manao hoe :
(I Mpaminany (S.A.W) no laharampahamehana amin'ireo mpino mihoatra ny vatatenan'izy ireo, ary ireo vadiny dia renin'izy ireo...". [Sourate-Al-Ahzab : 6].

F 27: Inona no zon’ny fianakavian’ny Mpaminany eo amintsika?

Valiny27 : Mankatia sy manaja azy ireo isika ary mankahala izay mankahala azy ireo ary tsy mihoa-pefy amin’ny fitiavana azy ireo. Izy ireo dia : ireo vadiny, ireo taranany, ireo taranak'i Hashim sy ireo taranak'i Al-Mouttalib avy amin’ireo mpino.

Fanontaniana28 : Inona no adidintsika manoloana ireo mpitondra silamo?

Valiny28 - Adidintsika : Manaja azy ireo, mihaino sy mankatoa azy ireo raha mbola ao anatin'ny fankatoavana, tsy miala amin'ny fitondrany, ary mivavaka sy mananatra azy ireo mangingina.

Fanontaniana29 : Aiza no toera-ponenan'ireo mpino?

Valiny29 : Ao amin'ny Paradisa. Niteny i Allah manao hooe : (i Tompo Allah no mampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana eo ambaniny...). [Sourate-Mohammadi :12].

Fanontaniana30 : Aiza no toera-ponenan'ireo mpikomy?

Valiny30 : Ao amin'ny Afobe. Niteny i Allah manao hooe : (Aoka ianareo hatahotra ilay afobe, izay olombelona sy ny vato no fandrehitra ao aminy, afo izay nomanina ho an'ireo mpikomy). [Sourate-Al-bakarat :24].

Fanontaniana31 : Inona no atao hoe fatahorana? Ary inona ny fanantenana? Ary inona no porofonao amin'izany?

Valiny31 - Ny fatahorana : Dia fatahorana an’i Allah sy ny famaizana avy aminy.
Ny fanantenana :
Dia fanantenana ny valisoa avy amin'i Allah sy famelan-kelony ary ny famindram-pony.
Ka ny porofo amin'izany dia ilay tenin'i Allah manao hoe :
(Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mitady amin’ny tompon’izy ireo ny fomba hanatonana azy bebe kokoa ary manantena ny famindram-pòny, ary matahotra ny saziny, tena marina fa ny sazin'ny tomponao dia mampatahotra tokoa). [Sourate-Al-Ysirat : 57]. Ary niteny i Allah manao hoe : (Ampandreneso ireo mpanompoko fa izaho ilay mpamela heloka sy mpamindra fo. Fa ny saziko dia tena mamirifiry tokoa. [Sourate-Al-Hijri : 49,50].

Fanontaniana32 : Lazao ny sasany amin’ireo anarana sy toetran’i Allah ilay avo Tsitoha.

Valiny32 : i Allah, Tompo, Mpamindra fo, Mpihaino, Mahita ny zava-drehetra, Mahalala ny zava-drehetra, Mpanome anjarampivelomana, Velona, Lehibe….sns Ankoatran'io ireo anarana tsara sy ireo toetra avo Indrindra.

Fanontaniana33 : Hazavao ireo anarana ireo?

Valiny33 - i Allah : Ary ny dikany dia ilay tompo ivavahana marina, irery ary tsy misy mpiara-miasa.
- Ny tompo (AR-RABOU) : Izy no Mpahary, ny mpanjaka, ny Mpizara anjarampivelomana ary izy irery no Mpandrindra, Voninahitra ho Azy.
Ilay maheno (AS-SAMIOU) : Izy mandre ny zava-drehetra, ary mandre ireo feo samihafa sy isankarazany.
Ny mpahita (AL-BASWIR) : Ilay mahita ny zava-drehetra, ary mahatazana ny zava-drehetra, na kely na lehibe.
Ilay Mahalala (AL-ALIMOU) : Izy no manana ny fahalalana rehetra momba ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy.
Ilay Mpamindra fo (AR-RAHIM) : Midadasika amin’ny zava-manan’aina rehetra ny famindram-pony, ary eo ambanin’ny famindram-pony avokoa ny mpanompony sy ny zavaboary rehetra.
Ilay mpanome anjarampivelomana (AR-RAZAK) : Izy no manome sakafo ho an'ny zavaboary rehetra, anisan'izany ny olombelona sy ny jiny ary ny biby rehetra.
Ilay velona (AL-HAYOU) : Izy dia velona tsy mba maty, fa ny zavaboary rehetra kosa dia ho faty.
Ilay Lehibe (AL-AZIM) : Ilay manana ny fahalavorariana rehetra sy ny fahalehibiazana rehetra eo amin’ny anarany sy ny toetrany ary ny fehitsiny.

Fanontaniana34 : Inona no adidintsika amin'ireo manam-pahaizana silamo?

Valiny34 : Mankatia azy ireo, ary miverina amin'izy ireo manontany raha misy olana na fifandirana ara-pinoana. Tsy miteny momba azy ireo afa-tsy amin'ny hatsarana ihany, Ary izay miteny ratsy momba azy ireo dia nanaraka làlana tsy izy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Hasondrotr'i Allah eo amin'ny toerana ambony ireo mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana, Ary mahafantatra izay rehetra ataonareo i Allah). [Sourat Al-Moudjadalah : 11].

Fanontaniana35 : Iza ireo sakaizan'i Allah ilay avo Tsitoha?

Valiny35 : Izy ireo dia mpino vontompinoana mpatahotra an'i Allah.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ireo sakaizan'i Allah dia tsy hanam-patahorana sy halahelo. Ireo izay mino sy manam-patahorana). [Sourat Younosy : 62-63].

Fanontaniana36 : Moave ny finoana dia teny sy fihestika ihany?

Valiny36 : Ny finoana dia teny sy asa ary foto-pinoana.

Fanontaniana37 : Moa ve mitombo sy mihena ny finoana?

Valiny37 : Ny finoana dia mitombo amin’ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin’ny fanaovana fahotana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rehefa tsiahivina anaran'i Allah, ary rehefa tanisaina eo amin'izy ireo ny teny famantarana dia mampitombo ny finoan'izy ireo, ary any amin'ny tompo zanaharin'izy ireo no iankinany). [Sourate-Al- Anfaly : 2].

Fanontaniana38 : Inona no atao hoe fanaovan-tsoa (IHSAN)?

Valiny38 : Fanompoanao an’i Allah toy ny mahita azy, ary raha tsy mahita azy ianao; Dia fantaro fa izy mahita anao.

Fanontaniana39 : Ovina no haneken'i Allah ny asa nataon'ny olona iray ?

Valiny39 - Amin'ny alàlan'ny Fepetra roa :
1-Raha natokana ho an'i Allah irery ihany.
2-Raha mifanaraka amin'ireo fomba amam-panaon'i Mpaminany (S.A.W).

Fanontaniana40 : Inona no atao hoe fitokisana an'i Allah ilay Tsitoha (TAWAKOUL)??

Valiny40 : Ny fiankinan-doha amin’i Allah ilay Tsitoha amin'ny fahazoana ny soa sy fanoherana ny loza, no sady arahin-kasa.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ary izay miantehitra amin'i Allah dia ampy ho azy Izy}. [Sourate At-Toalaq : 3].
(Ampy ho azy) : Midika fa mahampy amin'ny fiarovana azy.

Fanontaniana41 : Inona ny adidy miandry amin'ny famporisiana amin'ny fanaovana tsara sy fandrarana amin'ny ratsy?

Valiny41 - Ny tsara (MAAROUF) : io dia famporisiana ny olona amin'ny fankatoavana an'i Allah ilay avo Tsitoha. Ary ny ratsy (MOUNKAR) : Dia fanakanana ny olona mba tsy hilomano ao anatin'ny fahotana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ianareo no vahoaka mendrika indrindra izay notsongaina tamin'ireo olombelona rehetra, Satria ianareo no mamporisika ny olona amin'ny fanaovan-tsoa ary mandrara ny olona amin'ny fanaovan-dratsy ary mino an'i Allah...). [Sourat Àl-Imran : 110].

Fanontaniana42 : Iza ireo vondron'olona antsoina hoe: AHLOU SOUNNA WAL-JAMAA?

VAliny42 - Ny AHLOU SOUNNA WAL-JAMAA : Dia ireo olona nifikitra amin'ny fampianaran'ny Mpaminany (S.A.W) sy izay nataon'ireo mpiara-diany na amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary ny foto-pinoana.
Ary nantsoina hoe AHLOU SOUNNA izy ireo :
Nohon'ny fanarahan'izy ireo fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W) ary fiatahan'izy ireo amin'ny karazana forona.
-Nantsoina hoe Al-Djamant izy ireo : Satria noho izy ireo nanaiky nitambatra amin'ireo zavatra marina sy mari-pototra ary tsy mba misaratsaraka manoloana ny fahamarinana.

TARANJA FIKH47

F1 : Farito ny ato hoe fahadiovana?

V1 - Ny fahadiovana (TWAHARA) : Fidiovana amin'ireo loto kely sy lehibe eo amin'ny vatana na fitafy.
Ny fanadiovana ny loto hita maso (AL-KHABATHI) : io dia fanasan'ny mpino iray ireo loto amin'ny vatany na amin'ny fitafiny na eo amin'ny toerana iray hanaovany fanompoana Swalat.
Ny fanadiovana ny loto tsy hita maso (AL-HADATHI) : Fidiovana masina izay atao amin'ny alàlan'ny Ouzou sy fandrona (Ghousl) amin'ny rano madio na TAYAMMOUM ho an'izay tsy mahita sy tsy afaka mampiasa rano.

F2 : Ahoana no fomba hanadiovanao izay zavatra tratry ny loto?

V2 : Sasaina amin’ny rano mandra-pahadiony.
Fa amin’izay nolelafin’ny alika kosa dia sasaina im-pito ka ny voalohany amin'izany dia atomboka amin'ny fotaka.

F3 : Inona no vokatsoan'ny Ouzou?

V3 : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa manao Ouzou ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany". [Notaterin'i Moslim].

F4 : Ahoana ny fomba fanaovana ny Ouzou?

V4 : Sasaina in-telo ny felan-tànana.
Avy eo dia manotsam-bava sy mampiditra rano kely amin'ny orona ary dia avoaka, Izany dia atao in-telo.
Fanotsanambava (Al-Madhmadha) : Fampidirana rano ao am-bava avy eo ahontsakontsana ary ariana.
Fanadiovana orona (Istinshaq) : Fampidirana rano kely miaraka amin'ny rivotra ao amin'ny orona avanana.
Famoahana azy (Tastanthir) : Famoahana ilay rano amin'ny orona havia.
Avy eo dia manasa tarehy in-telo.
Avy eo dia manasa ny tànana roa hatreo amin'ny kiho.
Avy eo dia safoina ny loha manomboka eo amin'ny fiandohany ka hatrany amin'ny fihafarany, ary safoina koa ny sofina roa.
Avy eo manasa in-telo ny tongotra roa hatreo amin'ny kitro.
Izany no fomba feno indrindra amin'ny fanovana Ouzou, ary izany dia voaporofo tamin'ny nataon'ny Mpaminany (S.A.W), izay voarakitra ao amin'ny bokin'i Boukhariou sy Mouslim, izay notaterin'i Outhman sy i Abdoullahi Ibn zaid sy ankoatr'izy roa. Mbola voarakitra ao amin'ny bokin'i Boukhariou sy ankoatrany fa i Mpaminany (S.A.W) nanao ouzou ka nanasa indray mandeha fotsiny, ary nanasa indroa ihany koa, izay midika fa nanao ouzou ka nanasa ireo rantsana rehetra indray mandeha na indroa.

F5 : Inona avy ireo zavatra tsy maintsy atao amin’ny fidiovana (Ouzou), ary firy?

V5 : Tsy mampanan-kery ny Ouzon'ny mpino silamo iray raha nanambela iray amin'izy ireto.
1-Fanasana ny tarehy ary tafiditra ao anatin'izany ny fanotsanam-bava sy fanadiovana kely ny orona.
2-Fanasana ny tànana roa ka hatramin'ny kiho.
3-Fisafoana ny loha miaraka amin'ny sofina roa.
4-Fanasana ny tongotra roa ka hatramin'ny kitro.
5-Ny filaharany amin'ny fanasana ireo rantsana, miatomboka amin'ny fanasana ny tarehy, avy eo ny tànana roa, avy eo ny fisafona ny loha, ary ny fanasana tongotra roa.
6-Dikan'ny AL-MOUWALAT : izy io dia fanadiovana Ouzou ao anatin'ny fotoana mifampitohy, tsy misy elanelana mandra-pahamainan'ny rano eny amin'ny rantsana sasana.
-Tahaky ny olona manao Ouzou antsasany ihany, avy eo mamita izany amin'ny fotoana hafa, dia tsy manan-kery ny Ouzou nataony.

F6 : Inona ireo zavatra fanampiny (Sounnah) amin'ny Ouzou? ary firy?

V6 - Ireo fanampin-javatra (Sounnah) amin'ny Ouzou : Midika fa raha nanao azy ianao dia hahazo valisoa fanampiny, Raha navelanao kosa dia tsy misy fahotana ho anao, ary manan-kery ny Ouzou nataonao.
1-Ny fitenenana BISMILLAHI.
2-Ny fiborisiana nify amin'ny siwak.
3-Fanasana ny felan-tanàna roa.
4-Fandemana elanelan'ireo rantsan-tànana.
5-Ny fanasana fanindroany sy fanintelo ireo ratsana.
6-Ny fanombohana amin'ny ankavanana.
7-Ny fanaovana Douan aorian'ny Ouzou. "Achadou An Lailaha Illahou, wahdahou la Charika lahou, Wa Achadou Anna Mouhammadan Abdouhou Warasoulouhou". Izay midika hoe: "Mijoro vavolombelona aho fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah irery ihany tsy misy mpikambana aminy, ary mijoro vavolombelona koa aho fa i Mouhammad dia mpanompon'i Allah no sady irany.
8-Ny fanaovana Swalat 2 Rakkats aorian'ny Ouzou.

F7: Firy ny isan'ireo zavatra manapaka ouzou?

V7 : Ireo rehetra mivoaka avy any amin'ny taovam-pananahana ankiroa aloha sy aoriana amin'ny vatan'ny zanak'olombelona, toy ny amany na tay na hetotra.
-Ny torimaso, na fahalasana adala, na tsy fahatsiarovan-tena.
-Fihinanana ny henan'ny rameva.
-Fitsapana ny taovam-pananahana aloha na aoriana amin'ny tanàna tsy misy manasaraka azy.

F8 : Inona no dikan'ny TAYAMMOUM?

V8 : Ny Tayammoum dia fampiasana tany na vatokely, rehefa tsy mahita rano na tsy afaka mampiasa azy.

F9 : Ahoana ny fomba fanaovana ny Tayammoum?

V9 : Kapoina indray mandeha amin'ny tany ny felan-tanàna roa, avy eo safoina indray mandeha amin'ny tarehy sy eo amin'ny lamosin'ny fela-tànana roa.

F10 : Inona ireo zavatra manimba ny Tayammoum?

V10 : Izay rehetra manimba ny Ouzuo dia manimba nyTayammoum.
- Ary rehefa mahita rano.

F11 : Inona no dikan'ny AL-KHAFFAINY sy JOURABAINY? ary moave safoina eo ambonin'izy roa?

V11 : Ny AL-KHAFFAINY dia ireo zavatra vita amin'ny hoditra tafian'ny tongotra.
Ny AL-JOURABAINY : Ireo zavatra tafian'ny tongotra tsy namboarina tamin'ny hoditra.
Ary safoina fotsiny eo ambonin'izy roa fa tsy manasa tongotra.

F12 : Lazao fahendrena fonosin'ny fisafoana eo ambonin'ny AL-KHAFFAINY?

V12 : Ny fanamorana sy ny fanamaivanana amin'ireo mpanompon'i Allah, indrindra amin'ny fotoana mangatsiaka sy ririnina ary eo am-pandehanana lavitra, Satria mavesatra amin'ny olona hanala ny kiraro amin'ny tongony.

F13 : Inona ireo fepetra takiana mampety ny fisafoana eo ambonin'ny kiraro?

V13 : Madio, izany hoe mila manana Ouzo mialohan'ny hanaovanao ilay kiraro.
2-Mila madio ihany koa ilay kiraro, Satria tsy azo atao misafo eo ambinin'ny zavatra maloto.
3-Ny kiraro dia mila mahasarona tanteraka ilay faritra tokony ho sasana rehefa manao Ouzou.
4 -Ny fiisafoana dia ao anatin'ny fe-potoana voafetra, ny eto an-toerana dia tsy mitovy velively amin'ireo mpandeha lavitra, ny olona eo an-toerana dia misafo indray andro sy indray alina (24h), ny mpandeha lavitra kosa dia telo andro sy telo alina (3 jours).

F14 : Ahona fomba atao mampety ny fisafoana eo ambonin'ny bakiraro?

V14 : Ny fomba fisafoana dia tahak'izao : Mametraka ny rantsan-tànany lena amin'ny rantsan-tongony, avy eo safoiny moramora miakatra makany amin'ny ranjony, ka ny tànana havanana misafo ny tongotra havanana, ary ny havia safoina amin'ny tànana havia, ary ajanony izany rehefa avy nisafo fa tsy averina intsony.

F15 :Inona ny zavatra manimba ny fisafoana amin'ny bakiraro?

V15 - 1 : Fataperan'ny fe-potoana, ka tsy azo atao intsony misafo amin'ny bakiraro aorian'ny fahataperan'ny fe-potoana voafaritry ny lalàna, iray andro sy alina iray ho an'ny eo an-tanàna, ary telo andro sy telo alina ho an'ny mpandeha.
2-Fanesorana ilay bakiraro, ka rehefa noesorin'ny olona ilay bakiraro na iray amin'izy roa taorian'ny nisafoana taminy dia simba ny Ouzou.

F16 : Inona no dikan'ny Swalat?

V16 - Ny Swalat dia fanompoana an'i Allah izay atao amin'ny teny sy fihetsika manokana, nosokafana tamin'ny fitenenana Allahou Akbar (Takbir) ary mifarana amin'ny fitenenana Assalam Alaikoum (Taslim).

F17 : Inona lalànan'ny Swalat?

V17 : Ny Swalat dia voadidy tsy maintsy ataon'ny mpino tsirairay.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ny Swalat dia voasoratra ara-potoana ho an'ireo mpino). [Sourat An-Nissa :103].

F18 : Inona ny lalàna mamehy ireo mpanao tsinotsinona ny Swalat?

V18 : Ny olona mpamela ny swalat sy manao tsintsinona azy dia tsy mpino. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny fifanekena eo amintsika sy amin’izy ireo dia ny Swalat, ka izay namela azy dia efa tsy nino".
Notaterin'i Imam Ahamadi sy Tirmiziou ary hafa ankoatr'izy roa.

F19 : Firy ny Swalat tsy maintsy ataon'ny mpino silamo iray isan'andro sy alina? Firy ny rakaat isaky ny Swalat?

V19 : Swalat in-dimy isan'andro sy alina, Swalat Fajri : 2 Rakkats, Swalat Zouhri : 4 Rakkats, Swalat Asri : 4 Rakkats, Swalat Maghrib : 3 Rakkats, Swalat Ichaa : 4 Rakkats.

F20 : Tanisao ireo fepetra takiana amin'ny Swalat?

V20 : Mila mpino silamo satria tsy manan-kery ny Swalat ataon'ny olona tsy mpino.
2-Salama saina, ary tsy manan-kery swalat ataon'ny olona adala.
3-Mahay manavaka ny mety sy ny tsy mety, Tsy manan-kely Swalat ataon'ireo zaza tsy mbola mahay manavaka.
4-Ny finiavana.
5-Fidiran'ny fotoana.
6- Ny fahadiovana amin'ny loto ara-pinoana (tsy hita maso).
7-Ny fahadiovana amin'ny loto hita masao.
8- Ny fanakonana ny henatra.
9-Ny fitodihana any amin'ny Quiblat.

F21 : Tanisao ireo fototra hijoroan'ny fanompoam-pivavahana Swalat ?

V21 : Miisa efatra ambin'ny folo (14) ireo fototra, ka ireto avy izany :
-Voalohany amin'izany : Ny fitsanganana hoan'izay mahavita mitsangana.
-Ny Takbir voalohany : Izany dia amin'ny alàlan'ny fitenenana hoe : Allah Akbar.
-Famakiana ny Sourat Al-Fatiha.
-Ny fihondrehana, atao mahitsy tsara ny lamosina rehefa mihondrika ary mitraka ny loha.
-Ny fitsanganana arian'ny fihondrehana.
-Ny fitsanganana mahitsy.
- Ny fiankohofana, Mila mipetaka amin'ny tany avokoa ny andrina sy ny orona, felatànana anakiroa, ny lohalika roa, ary ny lohan'ireo rantsa-tongotra anakiroa rehefa miankohoka.
-Miarina kely aorian'ny fiankohofana.
-Ny fipetrahana kely eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
-Ary ny Sunnat : Dia ny fipetrahana mitongilana kely any amin'ny tongotra havia ary velarina misokatra kosa ny tongotra havanana ary mitodika any amin'ny Quiblat.
-Ny fitoniana : io dia filaminan'ny fihetsika rehetra atao.
-Ny TACHAHOUD farany.
-Ny fipetrahana eo am-panatanterahana ny TACHAHOUD.
-Ny fitodihana in-droa : Mitodika ankavanana ny loha ary miteny hoe: Assalam Alaikoum Warahamtaoullahi, avy eo dia mitodika ankavia indray ny loha ary miteny : Assalam Alaikoum Warahamtoullahi.
-Ny filaharan'izy ireo : Tahaky ny voalazantsika teo aloha, Raha ohatra ka niankohoka ianao mialohan'ny fihondrehana dia tsy mety ny Swalat nataonao ka mamerina mihondrika avy eo vao miankohoka.

F22 : Tanisao avokoa ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Swalat?

V22 : Ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Swalat dia miisa valo (8) ka ireto avy izany :
1-Ireo Takbir : Ny fitenenana Allah Akbar isaky ny manova fihetsika, ankoatr'ilay fitenenana Allah Akbar amin'ny fiandohan'ny Swalat.
2-Ny fitenenana : "Samiallahou Liman Hamidah" ho an'i Imam mpitarika sy izay manao Swalat mitokana.
3-Ny fitenenana ny hoe : "Rabbana Walakalhamdou".
4-Ny fitenenana hoe: "Soubhana Rabyal-Azim" indray mandeha eo am-pihondrehana.
5-Ny fitenenana hoe: "Soubhana Rabyal-Aa'la" indray mandeha eo am-piankohofana.
6-Ny fitenenana hoe: "Rabigh-firly" rehefa mipetraka eo anelanelan'ny fiankofana roa.
7-Ny TACHAHOUD voalohany.
8-Ny fipetrahana manao TACHAHOUD voalohany.

F23 : Inona ireo ambin-javatra na ny Sounnat amin'ny fanaovana Swalat?

V23 : Miisa 11 izy ireo ka ireto avy izany :
1-Ny fitenenana hoe : "Soubhanakallahoumma Wabihamdika, Watabarakasmouka, Wataala Jaddouka, Walaailaha Ghairouka", io no antsoina hoe : Douan fanokafana ny Swalat.
2-Ny fangatahana fiarovana ka miteny hoe : "Aouzoubillahi Minacchaitwani-Rajim".
3-Ny fitenenana : "Bismillahi-Rahmani-Rahim".
4-Ny fitenenana : "Amine".
5-Ny famakiana ireo sourat aorian'ny Sourat Al-Fatiha.
6-Ny famakiana mafy ho an'ilay mpitarika (Imam).
7-Ny fitenenana ny teny hoe : "Mil'oo Samawaty, Oa-Mil'oo Ardwy, Oa-Mil'oo Maachiita Min Chaiyn Baadah". aorian'ny teny fiderana.
8-Izay rehetra fanampiny amin'ireo teny tenenina eo am-pihondrehana sy eo am-piankohofana, Izany hoe : Ny teny faharoa sy fahatelo sy izay fanampin'izany.
9-Izay fanampiny amin'ireo teny fiderana eo am-piankohofana.
10-Izay teny fanampiny amin'ilay teny "Rabighfirly" eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
11-Ny fandefasana tso-drano ho an'i Mpaminany (S.A.W) eo amin'ny TACHAHOUD farany sy ny Douan rehetra atao aorian'izany.
Fahaefatra :
Ireo fomba amam-panao ara-pihetsika antsoina hoe : AL-HAYAATI.
1-Ny fampiakarana ny tànana roa miaraka amin'ny fitenenana hoe : ALLAHOU AKBAR".
2-Ny fampiakarana ny tànana roa rehefa hiondrika.
3-Ary rehefa mitsangana aorian'ny fihondrehana.
4-َAry ampidinina moramora aorian'izany.
5-Ny fametrahana ny tànana havanana eo ambonin'ny tànana havia.
6-Ny fijerevana eny amin'ny toerana hiankohofana.
7-Ny fampisarahana ny tongotra eo am-pitsanganana.
8-Ny fametrahana tànana roa eo amin'ny lohalika roa rehefa mihondrika, ary amphahitsina tsara ny lamosina miaraka mahitsy amin'ny loha.
9-Mila afantoka sy mipetaka tsara ireo teboka tokony hipetaka amin'ny tany eo am-piankohofana.
10-Ny vatana manontolo dia mila mahitsy avokoa, ny taova mila mihataka amin'ny vatana ary ny kibo mila mihataka amin'ny fehy ankiroa, ary ny fehy roa mila mihataka amin'ny lohalika roa, ary ny lohalika roa mila mifampihataka ihany koa ary ny tongotra roa, eo am-pitsanganana dia mila mifampihataka, ary ny ratsan-tongotra rehetra dia mila mifikitra amin'ny tany, ary ny tànana dia mila mivelatra tsara sy mikombona mifanitsy amin'ny sorika.
11-Ny fivelarana rehefa mipetraka eo anelanelan'ny fiankohofana roa, sy Tachahoud voalohany, ary fitongilanana kely amin'ny Tachahoud faharoa.
12-Ny fametrahana tànana mitsotra eo ambony fehy ary ny ratsan-tànana dia mikombona avokoa eo am-piankohofanana, torak'izany ihany koa rehefa manao ny Tachahoud, fa ny amin'ny Tachahoud kosa dia akombona mihidy avokoa ny ratsanana havanana fa sokafana sy atondro ny lavitondro manaraka ny ankibe rehefa miteny ilay teny voatokana amin'izany.
13- Ny fitodihana ankavanana sy ankavia rehefa mamarana ny Swalat.

F24 : Tanisao ireo zavatra manimba ny Swalat?

V24 - (1) : Ny famelàna iray amin'ireo fototry ny Swalat na iray amin'ireo fepetra mamehy ny Swalat.
(2) Ny firesahana fananiana.
(3) Ny fihinanana sy ny fisotroana.
(4) Ny fihetsehana im-betsaka izay mifampitohy.
(5) Ny famelana fananina ny iray amin'ireo zavatra tsy maintsy atao amin'ny Swalat.

F25 : Ahoana ny fomba fanaovan'ny mpino silamo iray ny Swalat?

V25 : NY FOMBA FANAOVANA SWALAT :
1-Mitodika any amin'ny Quiblat ny vatana manontolo, tsy mila mivilambilana na mitoditodika.
2-Avy eo mametraka finiavana fa hanao Swalat izay tiany hatao ao am-po fa tsy tononina.
3-Avy eo miteny hoe: Allahou Akbar, mampiakatra ny tànany anakiroa hatreo amin'ny soroka eo am-pitenenana ny Allahou Akbar (ilay TAKBIR).
4-Avy eo dia mametraka ny felatanany havanana eo an-damosin'ny felatanany havia eo amin'ny tratrany.
5-Avy eo sokafana amin'ny teny manao hoe : "Allahoumma Bayd Baini Wa Baina Khatwa-yia Kama Ba'adeta Baina Al-machriki Wal-Magrib, Allahoumma Naquini Min-khatwayat Kama Younaqua Thaoubal-Abyadhi Mina-danasy, Allahoummaghsilni Min khatwayat Bil-Maa'ii Whathalji Wal-baradi".
Na koa miteny hoe :
"Soubhanakallahoumma Wabihamdika, Watabarakasmouka, Wataala Jaddouka, Walaailaha Ghairouka".
6-Avy eo mangataka fiarovana amin'i Allah ka miteny hoe : "Aouzoubillahi Minashaytwanir-Rajim". 7-Avy eo manao Bismillahi dia mamaky Sourat Al-Fatiha ka miteny toy izao : (Bisimillahi Rahmani Rahim)1. 2- Alhamdoulillahi Rabbil-Alamina 2 3- Ar-rahmani Rahim 3. 4- Maliki Yawmiddine 4. 5- Iyaka Naaboudou wa iyaka Nastaiine 5. 6- Ihdina-swiratal Moustaquim 6. 7-Swaratalazina Ann'amta Alaihim, Ghairil-Maghdoubi Alaiyhim Wala-dhaaline. [Sourate-Al-Fatihat : 1-7].
Avy dia miteny manao hoe :
(AMINE) izay idika hoe : Tompo Allah Oh ! raiso sy valio ny hatakay.
8-Avy eo dia mamaky izay vitany vakina amin'ireo Sourat ao amin'ny Coran, ary aoka hanalava ny famakina ny Sourat amin'ny Swalat Fajri.
9- Avy eo dia miondrika, izany hoe : mampidina ny lamosina ho fanomezam-boninahitra an'i Allah, no sady miteny hoe : Allahou Akbar, ary mampiakatra ny tànany mifanandrify eo amin'ny sorika. Fa ny tena Sounat : dia ny manatsotra ny lamosiny, ary manatràka ny loha, ary mamela ny fela-tànany roa eo ambonin'ny lohalika roa, mivelatra sy misaratsaraka tsara ny ratsan-tànana.
10 - Ary eo am-pihondrehana dia miteny hoe : "Soubhana Rabiyal Azim Wa bihamdihi" in-telo, fa raha ampiana ilay teny hoe : "Soubohanaka Alloahouma Oabi-Hamidika, Alloahouma-ghoufiri-ly" dia tsy maninona.
Avy eo mampiakatra ny lohany dia miteny hoe :
"Samiallahou liman hamida", ary mampiakatra ny tànana roa ambony mitovy hahavo eo amin'ny sorika. Ireo mpanaraka ny Imam kosa dia tsy miteny "Samiallahou liman hamida", fa avy hatrany dia soloiny ilay teny hoe : "Rabbana walakal hamdou."
12- Ary miteny aorian'ny fitrakana hoe : "Rabbana walakal hamdou, Mil'ousamawati Wal'ardhi, Wamil'ou MaChiita Min Chayin Baad".
13- Avy eo dia miankohoka amin'ny fiankohofana voalohany, ary miteny eo am-piankohofana hoe : "Allahou Akbar", ary miankohoka amin'ireo ratsan-taova fito : Ny tarehy miaraka amin'ny Orona, Felan-tànana roa, Lohalika roa, Lohan'ireo ratsan-tongotra roa ary atao mitsotra tsara, ary tsy mipaka amin'ny tany ny sandry roa.
14 - Ary miteny eo am-pihondrehana hoe : "Rabbiyal Aa'laa wabihamdihi" in-telo, fa raha ampiana ilay teny hoe : "Soubohanaka Alloahouma Rabbana Oabi-Hamidika, Alloahouma-ghoufiri-ly" dia tsy maninona.
15- Avy eo mampiakatra ny lohany ary miteny hoe : "Allahou Akbar".
16- Avy eo mipetraka eo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa ka hipetrahana ny felan-tongotra havia ary atsotra mitehina amin'ny tany kosa ny ratsan-tongotra havanana, ary apetraka eo ambonin'ny fe ny ratsan-tànana dia akombona, fa ny fanondro ihany no atsotra sady ahetsiketsika rehefa eo am-panaovana Douan,fa ny ratsan-tànana amin'ny ilany havia kosa dia atsotra mipetraka eo ambonin'y fe manakaiky ny lohalika.
17- Ary miteny eo amin'ny fipetrahana kely manelanela ny fiankohofana roa hoe : "Roabi-ghoufiri-ly, Oari-hamony, Oa-hadiny, Oro-zokony, Oadji-borony,Oa-anfiny".
18- Avy eo dia miankohoka fanindroany tahaky ny tamin'ny voalohany dia mitovy ny zavatra tenenina sy atao, ary miteny Allah Akbar eo am-piankohofnana.
19- Avy eo miarina avy amin'ny fiankohofana fanindroany miteny manao hoe : "Allahou Akbar" ka manohy rakkat faharoa tahaky ny tamin'ny voalohany ary mitovy ny zavatra tenenina sy atao, saingy tsy manao Douan fanokafana fotsiny.
20- Avy eo mipetraka rehefa nahavita ny Rakkat faharoa ary miteny hoe : "Allahou Akbar", ary mipetraka tahaky ny fipetrahany teo anelanelan'ny fiankohofana anakiroa.
21- Ary mamaky ity teny TACHAHOUD ity eo am-pipetrahana : "Attahiyatou Lillahi waswalawatou watwaybatou; Assalamou alaika ayouhan Nabiou warahmatoullahi wabarakatouhou. Assalamou alaina wa aa'la Ibadillahi swalihina. Ash'hadou An la'ilaha illallahou wa Ash'hadou nna Mouhammadan abdouhou warasoulouhou. Allahoumma Swalli aa'la Mouhammadin Wa aa'la aa'li mouhammadin kama swallaita aa'la Ibrahima Wa aa'la aa'li Ibrahima Innaka hamidoun madjid". Aouzoubillahi Min Azabi Jahannam, Wamin azabil-Quabri, Wamin Fitnatil-Mahya Walmamati, Wamin Fitnatil-Masihou Dajjal". Avy eo mangataka amin'i Allah amin'ireo hataka tiany indrindra mba ahazoany hatsarana eto an-tany sy any an-koatra.
Avy eo mitodika ankavanana miteny hoe :
Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi", ary mitodika ankavia ihany koa dia miteny tahak'izany.
23- fa raha ohatra ka ny Swalat 3 na 4 Rakkats dia mijanona eo amin'ny fihafaran'ny Tachahoud voalohany, dia ny fitenenana hoe : "Achhadou An-Lailaha Illahou Wa Achadou Anna Mouhammadan Abdouhou Warasoulouhou".
24 - Avy eo mitsangana ka miteny manao hoe : "Allahou Akbar", ary mampiakatra ny felatànany roa eo amin'ny sorony.
25 - Avy eo manohy ny sisa ami'ny Swalat toy ny nataony tamin'ny Rakkat faharoa, Saingy mifarana amin'ny famakiana Souart Al-Fatiha ihany.
26 - Avy eo mipetraka, fa ny fipetrahana amin'ny fomba mamarana ny Swalat, dia arirana aty ankavia ny vatana, ary ny tongony havia dia mivoaka avy ao ambanin’ny ranjony ankavanana, ary afaka mipetraka amin’ny tany izy, ary mametraka ny tànany eo amin’ny feny araka ny fomba nametrahany azy tamin’ny Tachahoud voalohany.
27-Ary vakina eo amin'ny fipetrahana eo ny Tachahoud rehetra.
28 - Avy eo dia mitodika ankavanana manao Salam ka miteny manao hoe: "Assalamou Alaikoum Warahmatoullahi", ary mitodika ankavia ihany koa dia miteny tahak'izany.

F26 : Inona ireo tonimbavaka (Azkar) vakina aorian'ny fanaovana Salam?

V26 : Fitenenana "Astaghfiroullahi" in-telo.
-"Astaghfiroullahi! Astaghfiroullahi! Astaghfiroullahi! Allahoumma anta salamou wa minka salamou tabarakta ya zal djalali wal ikramou".
-"La ilaha illallahou wahdahou la sharika lahou; lahoul moulkou walahoul hamdou wahou ala koulli Shai'in Quadir. Allahoumma la Maa'nioun lima aa'twaita wala mou'twia lima manaa'ta wala yanfaa' Zal djaddi minkal djaddi".
- "La ilaha illallahou wahdahou la sharika lahou; lahoul moulkou walahoul hamdou wahou ala koulli Shai'in Quadir, La-haoula Oala Kou-Oata Y-la Billahy, La-yllaha Y-lla-loaho,Oa-la Nan-boudo Y-la y-yahou,Laou-Neymato Oa-lahoule-fadhoulo,Oa-lahoule-phanaoule-Hassana, La-yllaha Y-lla-loaho Mokholosi-na lahou-Dina, Oa-lao-karihale- Kafirona".
- "Soubhanallahi" in-33.
-"Alhamdoulillahi" in-33.
-"Allahou Akbar" in-33.
Avy eo fenoina zato amin'ny teny hoe :
"La Ilaha Illallahou Wahdahou La Sharika Lahou; Lahoul Moulkou Walahoul Hamdou Wahou Ala Koulli Shai'in Quadir".
Avy eo mamaky Sourat Al-Ikhlass sy ireo Fiaraovana anakiroa (Quoul-Aouzou birabil-Falaq sy Quoul Aouzou Birabin-Nasi). In-telo siaky ny vita swalat fajri sy maghrib, ary indray mandeha fotsiny aorian'ny swalat hafa.
-Ary mamaky Ayatoul-Koursiou indray mandeha.

F27 : Inona ireo Swalat fanampiny antsoina hoe : "Sounnat Rawatib?", Ary inona no valisoa azo avy aminy?

V27 : 2 Rakkats mialohan'ny Swalat fajri.
- 4 Rakkats mialohan'ny Swalat Zouhri.
- 2 Rakkats aorian'ny Zouhri.
- 2 Rakkats aorian'ny Maghrib.
- 2 Rakkats aorian'ny Ichaa.
Valisoany :
Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Izay nanao Swalat 12 Rakkats antsitrapo ao anatin'ny andro sy alina, dia hanamboaran'i Allah lapa lehibe any amin'ny Paradisa". [Notaterin'i Mouslim sy Ahamad ary ny ankoatr'izy roa].

F28 : Inona no andro tsara indrindra mandritry ny herinandro?

V28 : Ny andro Zoma, niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny andro tsara indrindra dia ny andro zoma satria tamin'izany no namoronana an'i Adama, tamin'izany no nahafatesany, amin'io no notsofina ny trompetra, ary amin'io no hamohana anareo ao am-pasana ka ataovy betsaka ny fiderana sy vavaka ho ahy satria ny vavakareo dia asehon'i Allah amiko". Hoy izy ireo : Oh ry Irak'i Allah amin'ny fomba ahoana no anehoana ny fiderana sy vavakanay aminao nefa efa ravana sy vovoka ianao? dia namaly izy manao hoe : "Tompo Allah nandrara ny tany tsy hihinana vatan'ireo mpaminany". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi ary ny ankoatr'azy].

F29 - Inona lalàna mamehy ny vavaka Swalat amin'ny andro zoma?

V29 - Voadidy amin'ny lehilahy mpino silamo feno taona sy manan-tsaina ary eo an-tanàna.
Niteny i Allah manao hoe :
(O ianareo mpino, rehefa tonga ny antso ho amin'ny vavaka fanompoana amin'ny andro zoma, dia mihazakazaha ho any amin'ny antson'i Allah ianareo ka avelao ny asa fandraharahana rehetra, Satria tsara ho anareo izany raha fantatrareo). [Sourat Al-Jouma : 9].

F30 : Ffiry ny isan'ireo Rakkat amin'ny Swalat Jouma?

V30 : Miisa 2 Rakkats amin'ny Swalat Jouma ary mamaky mafy ny Imam eo ampanatanterahana azy, ka misy toriteny anakiroa mialohan'izany.

F31 :Azo atao ve mingitrika tsy manatrika ny Swalat Jouma?

V31 : Tsy azo atao mingitrika tsy manatrika ny Swalat Jouma raha tsy izay manana sakana goavana eken'ny lalàna, izany dia efa voalazan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith manao hoe : "Izay namela ka tsy nanatrika ny Swalat Jouma in-telo dia efa nanao tsinotsinona azy ka notomboin'i Allah tombokase ny fony". [Notaterin'i Abo Dawod sy ny ankoatra azy].

F22 : Tanisao ireo fomba amam-panao amin'ny andro zoma?

V22 :
1- Ny fandroana (fisehana).
2- Ny fanaovana ranomanitra.
3-Fitafina lamba tsara indrindra.
4-Ny fahatongavana mialoha eny amosquée.
5-Ny fandefasana tso-drano sy fandriampahalemana amin'ny Mpaminany (S.A.W).
6-Ffamakiana ny Sourat Al-kahfi.
7-Ny fandehanana tongotra eny amin'ny mosquée.
8-Fitadiavana ilay ora hamalian'i Allah ny Douan.

F33 : Lazao ireo valisoan'ny vavaka iombonana (Swalat Jamaa)?

V33 : Notaterin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny vavaka iombonana (Swalat Jamaa) dia tsara lavitra ary ahazoana fahasoavana 27 mihoatra ny swalat atao mitsitokatokana ". [Notaterin'i Moslimo].

F34 : Inona no atao hoe fifantohana (Khoushou) amin'ny Swalat?

V34 : Izy io dia fifantohan'ny fo amin'izay ataony sy fitonian'ireo rantsana rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Henika ny fahasambarana tanteraka ireo mpino) 1. (Izay manetry sy mifantoka amin’ny fanompoana (Swalat) ataony 2. [Sourato Al-mou Minouna : 1,2].

F35 : Omeo famaritana ny Zakat?

V35 : Izy io dia ampahan-karena tsy maintsy avokan'ny andian'olona ary omena an'ireo vondron'olona voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana voafaritra.
-Ary izy io (Zakat) dia iray amin'ireo andry hijoroan'ny finoana Islam, ary fanomezana izay alaina amin'ny harean'ireo mpanankarena ka omena ny mahantra.
Niteny i Allah manao hoe :
{Ary avoahinareo ny Zakat}. [Sourate-Al-Baquarat :43].

F36 : Inona no fanomezana tsaratsara atao (Swadaka moustahabba)?

V36 : Tsy Zakat izy io, fa toy ny fanomezana zavatra iray asa soa ary amin'ny fotoana rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
- (Ary mamoaha fanomezana amin'ny làlan'i Allah ianareo). [Sourate-Al-bakarat :195].

F37 : Omeo famaritana ny Fifehezana ?

V37 - Ny Fifehezana dia fanompoana an'i Allah amin'ny alàlan'ny fitazonan-tena tsy misakafo sy tsy misotro manomboka amin'ny maraina vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro miaraka amin'ny finiavana. Izy io dia roa karazana :
Fifehezana tsy maintsy atao : Toy ny Fifehezana amin'ny volana Ramadan, Ary izy io iray amin'ireo fototra hijoroan'ny Islam.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ô Ianareo izay nino ! Voadidy ho anareo ny fifehezana toy ny nandidiana izany tamin'ireo vahoaka teo alohanareo, angamba hitoetra ao am-ponareo ny fahatahorana". [Sourate-Al-baquarat :183].
Ary ny fifehezana an-tsitrapo (tsy obligatoire)
, dia toy ny fifehezana atao ny Alatsinainy sy ny Alakamisy isan-kerinandro, sy ny fifehezana in-telo isam-bolana, ny tena tsara sy mendrika amin'izany dia ny andro fotsy (Ayamoul-Bi-dhy - 13,14,15), amin'ny fanisana andro amin'ny volana.

F38 : Lazao ireo valisoa azo amin'ny fifehezana amin'ny volana Ramadan?

V38 : Notaterin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nifehy tamin'ny volana Ramadan tamin'ny fo feno fanatenana ahazo valisoa amin'i Allah, dia ho voafafa avokoa ireo fahotana vitany teo aloha". Boky Boukhariou sy Mouslim.

F39 :Tanisao ireo fifehezana an-tsitrapo ankoatry ny fifehezana amin'ny Ramadan?

V39 : Notaterin'i Saiid AL-Khoudriou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy nisy mpanompo nifehy iray andro amin’ny làlan’i Allah (noho ny tompo Allah) afa-tsy hoe hohalavirin’i Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe tavan'ilay olona”. Notaterin'i Boukharioui sy Mouslim.
- Ny dikan'ny teny 70 kharifa dia : Fitopolo taona.

F40 : Tanisao ampahany amin'ireo zavatra manimba ny Fifehezana ?

V40 : 1-Ny fihinanana sy fisotroana fananiana.
2- Ny fandoavana fananiana.
3- Ny fialàna amin'ny finoana Islam.

F41 : Inona ireo fomba amam-panao amin'ny Fifehezana ?

V41 : 1-Ffanafainganana ny famahana ny Fifehezana (amin'ny hariva).
2- Ny fihinanana Souhour amin'ny maraina sy fanatarana azy.
3- Ny fampitombona ireo asa soa sy ny fanompoana.
4-Famalian'ny mpifehy vava raha nisy nanompa izy hoe : "Izaho mifehy".
5- Ny fanaovana Douan eo am-pamahana fifehezana.
6- Ny famahana fifehezana amin'ny atrendry, fa raha tsy mahita dia rano tsotra.

F42 : Farito ny atao hoe : HADJ?

V42 : Ny HADJ dia fanompoana an'i Allah ilay avo Tsitoha, ho any amin'ny trano masin'i Allah miaraka amin'ny fanaovana asa voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana voatokana ihany koa.
Niteny i Allah manao hoe :
{Adidin’ny olombelona manoloana an’i Allah ny mitsidika ilay trano Masina indrindra fa ho an’ireo olona izay afaka mandeha manao izany. Ary izay mitsipaka an'izany kosa dia tena marina fa i Allah tompon'ny harena ary tsy mila an'izao tontolo izao". [Sourate-Àal-'imran : 97].

F43 : Tanisao ireo fototra hijoroan'ny fivahiniana masina (Hadj)?

V43 - Ny Ihram (lamba fotsy).
2-Ny fijoroana eo amin'ny toerana Arafa.
3-Ny Twawaf (Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba).
4-Fivezivezena eo anelanelan'ny tendrombohitra roa Swafa sy marwa.

F44 : Inona ny valisoan'ny Hadj?

Valiny44 : Hoy i Abou Houraira (R.A) : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe:: "Izay nanao fivahiniana masina (Hadj) ho an'i Allah ka tsy namoaka teny na fihestika fahavetavetana sy fahalotoam-pitondrantena, dia tahaky ny niterahan-dReniny azy izy rehefa miverina amin'ny tanànany (madio tsy misy fahotana)". [Notaterin'i Boukhariou sy ankoatra azy].
- "Tahaky ny niterahan-dReniny azy" : Midika fa tsy misy fahotana.

F45 : Omeo famaritana ny Oumra?

V45 - Ny Oumra : Fanompoana an'i Allah amin'ny alàlan'ny fandehanana any amin'ny trano masin'i Allah (ao Makkat) ka manatanteraka asa voatokana amin'izany ary amin'ny fotoana rehetra.

F46 : Tanisao ireo fototra hijoroan'ny Oumra?

V46 : Ny Ihram.
2-Ny Fihodikodinana im-pito eo amin'ny Kaaba (Twawaf).
3-Fivezivezena eo anelanelan'ny tendrombohitra Swafa sy Marwa.

F47 : Inona ny atao hoe : JIHAD FISABILILLAHI?

V47 : Fiezahana sy ny fikirizana amin'ny fampielezana ny finoana Islam ary fiarovana azy sy ny vahoakany, na koa miady amin'ny fahavalon'ny finoana Islam sy ny vahoakany.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary manaova ezaka amin'ny fampiasana ny harenanareo sy ny tenanareo amin'ny làlan'i Allah. Izany no tsara aminareo raha mba fantatrareo". [Sourate-A-taobat : 41].

TARANJA - TANTARAN'NY MPAMINANY (S.A.W)32

F1 : Inona no firazanan'ny Mpaminany Mouhammad (S.A.W)?

V1 : Izy dia Mouhammad Ibn Abdillahi Ibn Abdoul-Mouttalib Ibn Hashim, avy amin'ny foko Couraich ary Couraich dia avy amin'ireo arabo, ary ireo arabo dia avy amin'ny taranak'i Ismail (A.S), ary i Ismail (A.S) avy amin'i Ibrahim (A.S) tso-dranon'i Allah anie ho azy ireo.

F2 : Iza no anaran'ny renin'i Mpaminanintsika (S.A.W)?

V2 : Amina Binti Wahab.

F3 : Ovina no maty ny rainy?

V3 : Maty tao Madina ny rainy fony izy mbola tao am-bohoka, tsy mbola teraka.

F4 : Ovina no teraka i Mpaminany Mouhammad (S.A.W) ?

V4 : Teraka tamin'ny taonan'ny Elefanta, tamin'ny andro Alatsinainy, Volana Rabiuol-Awal.

F5 : Taiza ny tanàna nahaterahany?

V5 : Tao Makkat.

F6 : Iza ireo vehivavy nampinono sy nitaiza azy akoatry ny reniny?

V6 : i Anabavin-dRainy antsoina hoe : Oummou Ayman.
i Anabavin'i Abou Lahab antsoina hoe :
Thouwiba.
- i Halima As-Saadia.

F7 : Ovina nahafaty ny Reniny?

V7 : Teo amin'ny fahaenina ny taonany no maty ny Reniny, Ka ny Raibeny antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no nitaiza azy taorian'io.

F8 : Iza no niandraikitra azy taorian'ny nahafaty ny Raibeny Abdoul-Mouttalib?

V8 : Maty ny Raibeny rehefa feno valo taona izy (Mpaminany S.A.W), ary ny rahalahin-dRainy antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no niandraikitra azy taorian'izany.

F9 : Ovina izy (Mpaminany S.A.W) no nandeha voyage niaraka tamin'ny rahalahan-dRainy tany SHAMI?

V9 : Niaraka nanao voyage tamin'ny rahalahin-dRainy tany SHAMI izy teo amin'ny faha-12 taonany.

F10 : Ovina nandehanany nanao voyage fanindroany?

V10 : Ny diany faharoa dia nitondra varotr’i Khadija (R.A), ary rehefa tafaverina avy any izy dia nanambady an'i Khadija (R.A), ary teo amin'ny dimy amby roapolo taona izy.

F11 : Ovina no nanavao ny KAABA ry zareo Couraich?

V11 : Nanavao ny KAABA ry zareo Couraich rehefa feno 35 tao i Mpaminany (S.A.W).
Ary noraisina ho mpitsara an'ireo foko Couraich i Mpaminany (S.A.W) rehefa nifanditra ny amin'izay olona hametraka ny vato mainty izy ireo, dia nataony tao anaty lamba ilay vato, ary nasainy naka ny tendron'ny lamba ny foko tsirairay, miisa efatra ireo foko tamin'izany, ka rehefa nampiakarin'izy ireo ilay vato, dia i Mpaminany (S.A.W) no nametraka azy teo amin'ny toerany.

F12 : Firy taona izy no nahazo ny faminaniana? Ary nalefa ho amin'iza?

V12 : Feno Efapolo taona izy rehefa tonga taminy ny faminaniana, ary nalefa ho amin'ny olona rehetra ho mpilaza vaovao mahafaly no sady mpampitandrina ihany koa.

F13 : Inona no zavatra voalohany nanombohan'ny faminaniana?

V13 : Ny nofy marina, ary tsy nahita nofy izy afa-tsy tanteraka izany rehefa tonga ny maraina.

F14 : Nanao ahoana ny toe-piainany talohan’ny faminaniana? Ary oviana no tonga voalohany taminy ny faminaniana?

V14 : Nanompo an'i Allah tao amin'ny lavabato HIRA izy ary efa fanaony izany.
Ka nidina taminy ilay faminaniana, rehefa izy tao an-davabato teo am-panaovana fanompoana.

F15 : Inona ny andininy voalohany nilatsaka taminy tao amin'ny Coran?

V15 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay nahary1). (Izay Nahary ny olombelona avy amin’ny vaingan-drà2). (vakio fa ny Tomponao dia fatra mpitsimbinana3). (izay nampianatra tamin'ny alàlan'ny penina4). (Nampianatra ny olombelona izay tsy fantany5). [Sourate Al-ALAQ : 5-1].

F16 : Iza no olona voalohany nino ny faminaniany?

V16 : Tamin'ireo lehilahy : i Abou Bakri Al-Siddiq (R.A), ary tamin'ny vehivavy : i Khadija binti Khouwaylid (R.A), ary tamin'ny zazalahy : i Ali bin Abi Twalib (R.A), ary tamin'ireo notezaina : i Zaid bin Haritha (R.A), ary tamin'ny andevo : i Bilal Al-Habashi (R.A), Tso-dranon'i Allah sy fifaliany anie ho azy ireo.

F17 : Nanao ahoana ny fiantsoana ho any amin'ny finoana silamo?

V17 : Natao mangingina nandritra ny telo taona teo ho eo ny fampielezana, avy eo dia nandidy azy hiantso ny olona ampahibemaso i Allah.

F18 : Ahoana toe-piainan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo nino azy taorian'ny fampahafantarana ampahibemaso ny fiantsoana nataony?

V18 : Tena nihoa-pefy tokoa ireo mpikomy tamin'ny fampijalina azy sy fampijalina ireo mpino silamo, farany dia nomena alàlana ireo mpino handeha hifindra monina any amin'ny AN-NAJASHIOU mpanjaka tao Ethiopie.
Ary niombin-kevitra ireo mpikomy amin'ny fampijalina sy famonoana an'ny Mpaminany (S.AW), saingy narovan'i Allah izy tamin'ny alàlan'ny fiarovana nataon'i Abou Twlaib rahalahin-drainy.

F19 : Iza no maty tamin'ny taona faha-10 nahazoany faminaniana?

V19 : Naty ilay rahalahin-drainy Abou Twalib sy ny vadiny Khadija (R.A).

F20 : Ovina no nitrangan'ny ISRA WAL MIRAJ?

V20 : Tamin'ny faha-50 taonany, ary tamin'io no nandiaina ilay vavaka fanompoana (Swala) in-dimy isanandro.
AL-ISRA : Fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-HARAM nandeha tany amin'ny mosquée AL-AQSWA.
AL-MIRAJ : Dia fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-AQSWA niakatra tany an-danitra ka nihafara tamin'ny SIDRATOUL-MOUNTAHA.

F21 : Ahona no fomba fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo olona ivelan'ny Makkat?

V21 : Niantso ireo vahoakan'ny Twaif izy, ary niezaka nanao izany tamin'ny fotoana fivorian'ny olona, ka tonga ireo vahoakan'ny Madina nino an'ny Mpaminany (S.A.W), ary nifanaiky sy nanao velirano fa hiaro azy.

F22 : Firy taona nipetrahany tao Makkat niantso ny olona?

V22 : Nijanona tao Makkat niantso ny olona nandritry ny 13 taona.

F23 : Taiza no nandeha nifindra monina i Mpaminany (S.A.W)?

V23 : Avy any Makkat nandeha any Madina.

F24 : Firy taona nijanonany tao Madina?

V24 : Folo taona.

F25 : Inona avy ireo lalàna nodidian'i Allah taminy tao Madina?

V25 : Nodidian'i Allah taminy ny Zakat, ny fifehezana, ny Hadj, Ny ady masina (Jihad), ny Azan, sy ny ankoatr'izay amin'ireo lalànan'ny Islam.

F26 : Inona ireo ady masina lehibe nataony?

V26 : Ady masina Badri ilay lehibe.
- Ady masina Ouhoud.
- Ady masina Al-Ahzab.
- Ady masina Fathi Makkat (fahazoana tanànan'ny Makkat).

F27 : Inona ny andininy masina farany nidina tamin'ny Coran?

V27 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Ary matahora ilay andro hiverenanareo any amin’i Allah, ary dia samy homena ny valin'asany avokoa ny tsirairay, ka tsy ho voambaka velively izy ireo). [Sourate-Al-baquarat : 281].

F28 :Ovina no maty i Mpaminany (S.A.W)? ary firy ny taonany tamin'izany?

V28 : Maty tamin'ny volana Rabioul-Awal, tamin'ny taona faha-11 Hijria, ary teo amin'ny faha-63 taony izy tamin'izany.

F29 : Tanisao iza daholo ireo vadin'ny Mpaminany (S.A.W)?

V29 : 1-Khadija Binty Khouwailidi (R.A).
2- Saouda Binty Zam'aa (R.A).
3- Aicha Binty Abi Bakri Swidiq (R.A).
4- Hafsah Binty Oumar (R.A).
5- Zainab Binty Khouzaymat (R.A).
6- Oumo Salama Hindy Binty Abi-Oumayat (R.A).
7- Oumo Habibah Ramlat Binty Abi-Soufyanne (R.A).
8- Djouwayriat Binty Al-harith (R.A).
9- Maimouna Binty Al-harith (R.A).
10- Soafiyat Binty Houyaya (R.A).
11- Zainab Binty Djahachi (R.A).

F30 : Iza daholo ireo zanany?

V30 : -Ireo zanany lahy dia miisa telo :
1- Al-Quasim, ary tamin'io no niantsoana azy ho Aboul-Quassim.
2- Abdallah.
3-Ibrahim.
-Ireo zanany vavy kosa :
1-Fatima.
2-Roquaya.
3-Oumo Kolothoummou.
4-Zainab.
Ireo zanany rehetra dia azony tamin'i Khadija daholo afa-tsy i Ibrahim ihany, ary izy rehetra maty talohan'ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy i Fatima izay maty enim-bolana taorian'ny nahafatesany.

F31 : Lazao endrika voajanahary sy ny toe-batan'ny Mpaminany (S.A.W)?

V31 : Izy dia eo anivonivo sady tsy fohy no tsy lava ihany koa fa eo anelanelany, fotsy fiodirana somary mangalatra mena ny lokony, matevina ny volombavany, tsara ny masony, somary ngeza ny vavany, ary mainty tsara ny volony, ngeza ny sorony, manitra lalandava, sy ny ankoatr'izay amin'ny endrika tsara.

F32 : Inona no zavatra navelan'i Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany?

V31 : Nametraka ny vahoakany izy (S.A.W) tamin'ny sori-dàlana fotsy mazava tsara, ny alina aminy toy ny atoandro, tsy misy miala olona amin'izany afa-tsy hoe rendrika, tsy misy zava-tsoa afa-tsy nolazainy, ary tsy misy zavatra ratsy afa-tsy nampitandreminy.

TARANJA TAFSIR (Fandikana ny Coran)17

F1 : Vakio ny Sourat AL-Fatiha ary lazao ny dikany?

V1 : Ny sourat Al-Fatiha sy ny dikany :
1- Bismillahi Rahmani Rahim. 2-Alhamdoulillahi Rabbil-Alamina. 3-Arrahmani Rahim. 4-Maliki Yawmiddine. 5- iyaka naaboudou Wa iyaka nastaiine. 6-Ihdina swiratal-moustaquim. 7-Swiratallazina an'amta alaihim ghairil-maghdoubi alaiyhim waladhaalinee. [Sourate-Al-Fatihat : 1-7].
- Ny Fanazavana sy ny dikany :
Nantsoina hoe : Sourat Al-Fatiha ilay Sourat satria avy aminy no hanokafana ny Boky masin'i Allah.
🎧 1- (Bismillahi Rahmani Rahim) Izay midika hoe : amin'ny anaran'i Allah no hamakiako ny Coran, maintehatra aminy, mangatam-pahasoavana eo am-pamakiana ny anarany.
- (Allah) dia : ilay tompoina am-pahamarinana, ary tsy misy hafa ankoatra azy antsoina amin'io anarana io.
- (Ar-rahman) Izay midika hoe : tompon'ny famindram-po lehibe izay mandrakotra ny zavatra rehetra ny famindram-pony.
- (Ar-rahim) Izay midika hoe : manana famindram-po amin'ireo mpino.
🎧 2- (Alhamdou Lillahi Rabbil Alamina) Izay midika hoe : An'i Allah irery ihany ny fiderana sy fahalavorariana ary ny fahafenoana rehetra.
🎧 3- (Arrahmani Rahim) Izay midika hoe : Tompon'ny famindram-po lehibe izay mandrakotra ny zavatra rehetra ny famindram-pony ary tompon'ny famindram-po ho an'ireo mpino.
🎧 4- (Maliky Yaomidiny) Izay midika hoe : io dia andro farany.
🎧 5- (Iyaka Naaboudo Wa-Iyaka Nasitaynou) Izay midika hoe : ianao irery no tompoinay ary any aminao irery no angatahanay famonjena.
🎧 6- (Yhdina Suratal Moustaquim) Izay midika hoe : Tario amin'ny làlana mahitsy izahay dia ny fahistiana ho any amin'ny Islam sy ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W).
🎧 7- (Swiratal lazina an aa'mta alaihim. Ghairil maghdhoubi Alaihim Wala Dhwaa'lin) Izay midika hoe : Làlan'ireo mpanompon'i Allah mpanao asa soa toy ireo mpaminany sy izay nanara-dia azy, fa làlan'ireo kristiana sy ny jiosy.
- Ary ny fomba fanaon'ny Mpaminany (S.A.W) ny miteny (AMINE) aorian'ny famakina azy, Izay midika hoe : Valio ny hatakay.

F2 : Vakio ny Sourat ZILAZALA avy eo adikao?

V2 : Sourat ZILZALA sy ny dikany :
- Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Iza Zoulzilatil-Ardhou Zilzaalaha (Rehefa mihorohoro mafy izay tsy izy ny tany). 2- Wa Akhrajatil-Ardhou Athqualaha (Ka hamoaka ireo vesatra tao aminy ny tany). 3- Waqualal Insani Maa Laha (Ka dia hiteny ny olombelona manao hoe : “Fa inona no manjo azy ity (tany) ?)”. 4- Yawmaizin Touhadithou Akbaraha (Ka amin’izany andro izany, dia hilaza ny vaovaony izy). 5- Binanna Rabbaka Awhalaha (Satria ny Tomponao no hibaiko azy amin’izany). 6- Yamaizin Yasdouroun-nasi Achtaatan Liouraw Aamalahoum (Fa amin’izany andro izany dia hivoaka ny fasana misaratsaraka ny olombelona, ka haseho azy ireo ny asa vitany rehetra). 7-Faman Yaamal Mithquala Zarratin Khairan Yarahou (Ka izay manao asa soa na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza, dia ho hitany avokoa izany). 8- Waman Yamal Mithquala zarratin Charran Yarahou (Ary izay manao asa ratsy na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza dia ho hita ihany koa izany). [Sourate-A-zilizala : 1-8].
- Ny Fanazavana sy ny famelabelarana :
🎧 1- Iza Zoulzilatil-Ardhou Zilzaalaha (Rehefa mihorohoro mafy izay tsy izy ny tany) : Rehefa mihetsika amin'ny fihetsefana mafy indrindra ny tany izay hitranga amin'ny andro farany.
🎧 2- Wa Akhrajatil-Ardhou Athqualaha (Ka hamoaka ireo vesatra tao aminy ny tany). Izay midika hoe : Avoakan'ny tany avokoa izay rehetra ao aminy toy ireo faty izay nalevina tao aminy sy ny hafa ankoatra azy.
🎧 3- Waqualal Insani Maa Laha (Ka dia hiteny ny olombelona manao hoe : “Fa inona no manjo azy ity (tany) ?)”. Izay midika hoe : Gaga ny olombelona rehetra ary niteny hoe : Inona re no nanjo ny tany ka nahatonga azy hihetsika sy hanao toy izao?
🎧 4- Yawmaizin Touhadithou Akbaraha (Ka amin’izany andro izany, dia hilaza ny vaovaony izy). Izay midika hoe : Amin’izany andro lehibe izany, dia hampafantatra ny tany ny zavatra tsara sy ny ratsy natao teo aminy.
🎧 5- Binanna Rabbaka Awhalaha (Satria ny Tomponao no hibaiko azy amin’izany). Izay midika hoe : Satria i Allah no nampahafantatra azy sy nibaiko azy amin'izany.
🎧 6- Yamaizin Yasdouroun-nasi Achtaatan Liouraw Aamalahoum (Fa amin’izany andro izany dia hivoaka ny fasana misaratsaraka ny olombelona, ka haseho azy ireo ny asa vitany rehetra). Izay midika hoe : Amin'izany andro lehibe izany, izay hihetsehan'ny tany, dia hivoaka ny olombelona makany amin'ny kianjan'ny fitsarana, ka ho aseho amin'izy ireo avokoa ny asa rehetra vitan'izy ireo teto an-tany.
🎧 7-Faman Yaamal Mithquala Zarratin Khairan Yarahou (Ka izay manao asa soa na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza, dia ho hitany avokoa izany). Izay midika hoe : Na iza na iza nanatanteraka ny asa soa toy ny lanjan'ny vitsika dia ho hitany eo anoloany.
🎧 8- Waman Yamal Mithquala zarratin Charran Yarahou (Ary izay manao asa ratsy na dia bitika indrindra sahala ny lanjan’ny atôma aza dia ho hita ihany koa izany). Izay midika hoe : Na iza na iza nanatanteraka ny asa ratsy toy ny lanjan'ny vitsika dia ho hitany eo anoloany.

F3 : Vakio ny Sourat Al-Aandyati, avy eo dia hazavao ny dikany?

V3 : Ny Sourat Al-Aadyati sy ny fanazavana azy :
Bismillahi Rahmani Rahim.
1- Wal-Aadiati Dhabhan (Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo). 2- Falmouriati Quadhan (Ka mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony). 3- Famoughirati Soubhan (Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina). 4- Fa-atharna bihi Naq'aan (Ka mampitora-jofo ny vovoka). 5- Fawasatna bihi Jam'aan (Ary mitsofoka ao afovoan’ny tafiky ny fahavalo). 6- Innal-Insana Lirabihi Lakanoudi (Hamafisina, fa ny olombelona dia tena tsy mahay mankasitraka ny Tompony). 7- Wa Innahou ala zalika Lashahidi (Nefa Izy tena vavolombelona tokoa amin’izany). 8- Wa innahou lihobbil-khair Lashadid (Fa fatra mpitia harena tokoa izy (olombelona). 9- Afala Yaalam Izha Boouthira Ma fil-Qoubouri (Moa tsy fantany ve, fa rehefa hifongatra avy ao am-pasana izy). 10- Wahoswila ma fi-soudouri (Ary haseho izay rehetra ao am-po). 11- Inna rabbahoum bihim Yawmaiizin Lakhabir (Dia hamafisina, fa efa fantatry ny Tompon’izy ireo tanteraka ny momba azy amin’izany andro izany). [Sourate-Al-Aadyati :1-11].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- Wal-Aadiati Dhabhan (Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo). Izay midika hoe : i Tompo Allah nifanta tamin'ny soavaly izay manana hafaingam-pandeha mirifadrifatra ka heno amin'ny vatany ny feo manambara fa mandeha haingana tokoa izy.
🎧 2- Falmouriati Quadhan (Ka mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony). Izay midika hoe : Ary mianiana amin'ireo soavaly izay mandrehitra afo ny kitrony raha mikasika ny vato izy ireo noho ny hamafin'ny fiatraikany aminy.
🎧 3- Famoughirati Soubhan (Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina). Izay midika hoe : Ary mianiana amin'ny soavaly izay manafika ny fahavalo vao maraina.
🎧 4-Fa-atharna bihi Naq'aan (Ka mampitora-jofo ny vovoka). Izay midika hoe : Izay nanosika ny vovoka ka nampitera-jofo azy tamin'ny fihazakazahany izy ireo.
🎧 5- Fawasatna bihi Jam'aan (Ary mitsofoka ao afovoan’ny tafiky ny fahavalo). Izay midika hoe : Ka dia nanao mpanelanelana tamin'ny mpitaingin-tsoavaliny izy ireo mba hampitambatra ny fahavalony.
🎧 6- Innal-Insana Lirabihi Lakanoudi (Hamafisina, fa ny olombelona dia tena tsy mahay mankasitraka ny Tompony). Samihafa ny zavatra irin'ny olona amin'ny tompony.
🎧 7- Wa Innahou ala zalika Lashahidi (Nefa Izy tena vavolombelona tokoa amin’izany). Ary izy dia amin'ny fanakanana ny hatsarana dia vavovolombelona, ary tsy afaka manda izany satria mazava tsara izany.
🎧 8-Wa innahou lihobbil-khair Lashadid (Fa fatra mpitia harena tokoa izy (olombelona) : Noho ny fitiavam-bola mihoa-pampana no mahatonga azy ho mahihitra izany.
🎧 9- Afala Yaalam Izha Boouthira Ma fil-Qoubouri (Moa tsy fantany ve, fa rehefa hifongatra avy ao am-pasana izy) : Moave tsy fantatr'ity olombelona izay voafitaky ny fiainana eto an-tany ity fa rehefa atsangan'i Allah izay rehetra maty tao am-pasana sy navoakany ho any amin'ny toerana fitsarana dia tsy araka izay noeritreretiny ny raharaha?
🎧 10- Wahoswila ma fi-soudouri (Ary haseho izay rehetra ao am-po) : Ary ho asongadina sy hazavaina izay ao am-po momba ny fikasana sy ny foto-pinoana ary ny hafa.
🎧 11- Inna rabbahoum bihim Yawmaiizin Lakhabir (Dia hamafisina, fa efa fantatry ny Tompon’izy ireo tanteraka ny momba azy amin’izany andro izany) : Marina tokoa fa mahafantatra azy ireo ny tompony amin’izany andro izany, ary tsy misy miafina Aminy ny amin’ny raharahan’ny mpanompony, ary Izy no hitsara azy ireo amin’izany.

F4 : Vakio ny Sourat Al-Quaria ary omeo ny dikany?

V4 : Sourat Al-Quaria sy ny fandikana azy :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). 2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). 3- Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?). 4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka). 5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka). 6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany). 7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy). 8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany). 9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany). 10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?). 11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy). [Sourat Al-quarian : 1-11].
- Fanazavana ny fdikany :
🎧 1-Al-Quaria (Ilay mikotrokotroka). Izay midika hoe : Ny ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohoron-tany.
🎧 2- Mal-Quaria (Inona moa ilay mikotrokotroka ?). Inona moa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?
🎧 3-Wama Adraka Mal-Quaria (Moa mba fantatrao ve, inona ilay mikotrokotroka ?) : Ary mba fantatra ve - ry iraka - Inona tokoa ity ora izay mandondona ny fon'ny olona noho ny halehiben'ny horohorony!?
🎧 4- Yawma yakounoun-Nasou kal-farashil Mabthouthi (Andro izay hahatonga ny olona tahaka ny lolo miparitaka) : Amin’ny andro hitempon’ny fon’ny olona, dia ho toy ny biby kely lolo miparitaka etsy sy eroa izy ireo.
🎧 5- Watakoul-jibali Kal-ihnil Manfouchi (Ary ireo tendrombohitra ho tahaka ny volon’ondry voasaratsaraka) : Ary ny tendrombohitra dia tahaka ny volon'ondry mipitipitika amin'ny hamaivanany sy ny fivezivezeny.
🎧 6-Fa'amma man thaqoulati mawazinohou (Ka izay manana ny asa soa mavesatra amin’ny mizanany) : Ka raha mavesa-danja ny asa soa manoloana ny asa ratsy.
🎧 7- Fahouwa Fi Ichatin Radhia (dia ho ao anaty fiainana feno fahasambarana izy) : Dia ao antin’ny fiainana mahafa-po izay azony ao amin'ny Paradisa.
🎧 8- Wamma man Khaffati Mawazinouhou (Fa izay maivan-danja kosa ny asa vitany) : Ary raha mavesa-danja ny asa ratsiny manoloana ny asa soa vitany.
🎧 9- Faoummouhou Hawia (Dia ny lavaka manitsokitsoky ny Afobe no ho fonenany) : Dia ny toeram-ponenany sy hitoerany amin'ny andro fitsarana dia ao amin'ny Afobe.
🎧 10- Wama Ad'raaka Mahiah? (Ary ahoana no hahafantaranao izany hantsana manitsokitsoka tena lalina izany ?) : Moave fantatrao - ry iraka - Inona izy io?!.
🎧 11- Naroun Hamiya (Afo mavaivay izay tsy misy toy izy) : Izany dia Afo lehibe ary tena mafana.

F5 : Vakio ny Sourat AT-TAKATHOUR dia omeo ny dikany?

V5 : NySourat AT-TAKATHOUR sy ny dikany :
Bimisllahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Alhakoumou takathour (Varina amin'ny fanangonan-karena tokoa ianareo). 2- Hatta zourtoumoul-maquabir (Eny, mandra-pahatongan’ny fotoana hidiranareo ny fasana). 3- Kalla saofa taalamouna (Tsia! fa mbola ho fantatrareo tsy ho ela izany). 4- Thoumma Kalla saofa taalamouna (Eny, fa tena mbola ho fantatrareo marina tsy ho ela tokoa izany). 5- Kalla laotaalamouna ilmal yaquini (Tsia ! Raha mba fantatrareo amin’ny fahalalana marina izany). 6-Lataraounnal jahim (Dia ho hitanareo tokoa ny Afobe). 7- Thoumma lataraounnaha Aynal-yaquine (Rehefa avy eo, dia ho hitanareo maso amim-pitokisana tokoa izany). 8- Thoumma latous'alounna yawma'izine anin'nayim (Eny, ka amin'izay fotoana izay dia tsy maintsy hanontaniana ianareo amin’izany andro izany momba ireo harena marobe sy ny anjaram-pahasoavana rehetra). [Sourate ATTAKATHOUR : 1-8].
- FANAZAVANA NY DIKANY :
🎧 1- (Alhakoumou takathour) : Nanahirana anareo - ry olombelona - ny fireharehana amin'ireo harena sy ny zanaka ka nanakana anareo amin'ny fankatoavana an'i Allah.
🎧 2- (Hatta zourtoumoul-maquabir) : Mandrampahafatesanareo ka hidiranareo ao am-pasanareo.
🎧 3- (Kalla saofa taalamouna) : Ny fireharehana izay nanahirana anareo sy nanakana anareo tamin'ny fankatoavana an'i Allah, dia ho fantatrareo ny valin'ilay nanahirana anareo.
🎧 4- (Thoumma Kalla saofa taalamouna) : Ary tena mbola ho fantatrareo ny valiny.
🎧 5- (Kalla laotaalamouna ilmal yaquini) : Eny tokoa, raha fantatrareo marina fa hiverina any amin'i Allah ianareo, ary hanome valin-kasasarana amin'izay asa vitanareo Izy, dia tsy ho variana tamin’ny fireharehana ny fanananareo sy ny zanakareo ianareo.
🎧 6- (Lataraounnal jahim) : Mianiana amin'i Allah aho fa hahita mivantana Afobe ianareo amin'ny andro farany.
🎧 7- (Thoumma lataraounnaha Aynal-yaquine) : Ary hijery azy mivantana am-pahamarinana tsy misy fisalasalana ianareo.
🎧 8-(Thoumma latous'alounna yawma'izine anin'nayim) : Dia hanontany anareo i Allah amin’izany andro izany ny amin’izay nomeny anareo momba fahasoavana toy ny fahasalamana sy ny harena ary ny hafa.

F6 : Vakio ny Sourat AL-Asri ary omeo ny dikany?

V6 : Ny Sourat AL-Asri sy ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Wal-Asri (Mianiana Aho amin'ny fotoana). 2- Innal-Insana Lafi Khousrin (Ttena marina, ny olombelona dia ao anatin'ny fahaverezana tokoa). 3- (Illalazina Amanou Wamilou-swalihati Watawasaw Bilhakki Watawasaw Bis-swabri) Afa-tsy ireo izay nino sy nanao ny asa soa ary nifananatra amin’ny fanaovana ny fahamarinana ary nifampitaona amin’ny faharetana. [Sourate-Al-Ansiry : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Wal-Asri) : Eto dia nianiana tamin'ny fotoana i Allah ilayTsitoha.
🎧 2- (Innal-Insana Lafi Khousrin) : Hoe : Fa ny olona rehetra dia ao anatin'ny fatiantoka sy faharendrehana.
🎧 3- (Illalazina Amanou Wamilou-swalihati Watawasaw Bilhakki Watawasaw Bis-swabri) : Afa-tsy ireo izay nino sy nanao ny asa soa, avy eo niantso ho amin'ny fahamarinana ary niharitra tamin'izany, Dia ireo olona ireo no ho avotra amin'ny fatiantoka.

F7 : Vakio ny Sourat AL-Houmaza ary omeo ny dikany?

V7 : Sourat AL-HOUMAZA sy fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Wailoun Likoulli Houmazatin Loumaza (Loza ho an’ireo izay mpanendrikendrika sy mpifosa). 2- Allahzi Jama'aa Malan Wa addadah (Izay nanangon-karena sy fatra mpanisa izany). 3- Yahsabou Anna Malahou Akhladahou (Mihevitra izy fa ny hareny no hampaharitra azy mandrakizay). 4- Kalla Layounbazanna Fil-houtwamat (Tsia ! fa tsy maintsy havarina ao anaty afobe izay mamotika tokoa izy). 5- Wamaa Ad'raka Mal-houtwamat (Moa ve mba fantatrao, hoe inona izany afobe mamotika izany?). 6- Naroullahil-Mouquadat (Izany dia Afon’i Allah izay miredareda). 7- Allatii Tat'twliou Alal-Af'iidat (Izay mipaka sy miantefa hatrany am-po lalina any). 8- Innaha Alaihim Mou'swada (Ka handrakotra sy hanapitra azy ireo izany). 9- Fi amadin Moumadda (Izay milelalela anatin’ny tsatoka avo mivelatra). [Sourate-Al-Houmaza : 1-9].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Wailoun Likoulli Houmazatin Loumaza) : Loza sy sazy mahery vaika ho an'ny olona be fosafosa, arymanendrikendrika ireo namany.
🎧 2- (Allahzi Jama'aa Malan Wa addadah) : Izay tsy manana heritreritra afa-tsy ny fanangonana ny harena sy ny fanisana izany, tsy miasa loha amin'ny zavatra hafa ankoatr'io.
🎧 3- (Yahsabou Anna Malahou Akhladahou) : Mihevitra izy fa ilay harena nangoniny hanavotra azy amin'ny fahafatesana, ka hijanona velona mnadrakizay eto an-tany.
🎧 4- (Kalla Layounbazanna Fil-houtwamat) : Tsy tahaky ny niheritreretinao ny zavatra mandalo ry vendrana ty, hohatoraka ao amin'ny Afobe izay hamotika sy hamaky izay zavatra ampidirina ao aminy noho ny hafanany.
🎧 5- (Wamaa Ad'raka Mal-houtwamat) : Mba fantatrao ve - ry iraka - inona ity afobe mamotika izay zavatra atsipy ao aminy?!
🎧 6- (Naroullahil-Mouquadat) :Izany dia afon'i Allah miredareda.
🎧 7- (Allatii Tat'twliou Alal-Af'iidat) : Izay miditra ao amin'ny vatan'ny olona mankany amin'ny fony.
🎧 8- (Innaha Alaihim Mou'swada) : Izy io natokana ho an'ireo voasazy ary mihidy ao.
🎧 9- (Fi amadin Moumadda) : Izay misy fefy lava mba tsy hivoany ao.

F8 : Vakio ny Sourat AL-FIL ary omeo ny dikany?

V8 : Ny Sourat AL-FIL sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahman Rahil (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Alam tara kaifa fa'aala rabbika bi'ashabil-fil (Moa tsy hitanao ve, nanao ahoana ny fomba nanaovan’ny tomponao ireo olon’ny elefanta ?). 2- Alam yaj'aal kaidahoum fi tadhlil (Fa tsy nataony zava-poana fotsiny ve ny teti-dratsin’izy ireo ?). 3- Wa arsala alaihim twayran ababil (Ka nandefasany andiam-borona maro mifanesy izy ireo). 4- Tarmihim bihijaratin min sijjil (Izay nitoraka azy ireo tamin’ny tany manga avy amin’ny afobe). 5- Faja'alahoum Ka'asfin Ma'akouli (Ka nataony mitovy amin’ny mololo voatsako izy ireo). [Sourat AL-Fil : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Alam tara kaifa fa'aala rabbika bi'ashabil-fil) : Tsy fantatrao ve - ry iraka - Ahoana nanaovan'ny tomponao an'i Abraha sy ireo olon'ny Elefanta tamin'ny fotoana saika hamotehan'izy ireo ny KAABA?!
🎧 2- (Alam yaj'aal kaidahoum fi tadhlil) : Nataon’i Allah ho very maina ny tetika ratsiny handrava izany (Ny KAABA), ka tsy nahazo izay niriany tamin’ny fampiviliana ny olona hiala amin’ny Kaaba izy ireo, ary tsy nahazo na inona na inona tamin’izany.
🎧 3- (Wa arsala alaihim twayran ababil) : Ka nanefasan'i Allah vorona kely hamely azy ireo, izay tonga miaraka maro.
🎧 4- (Tarmihim bihijaratin min sijjil ) : Izay nitoraka vato tanimanga azy ireo.
🎧 5- Faja'alahoum Ka'asfin Ma'akouli : Koa nataon’i Allah toy ny ravin-kazo nohanin'ny biby sy nohitsakitsahiny izy ireo.

F9 : Vakio ny Sourat COURAICH ary omeo ny dikany?

V9 : Ny Sourat COURAICH sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Li'ilaafi Couraich (Nohon'ny fifanarahan'ireo koreisita). 2- iilafihim rihlata'shitaa'ii Waswaif (Fifanekena sy fifanarahana nataon’izy ireo momban'ny fandehanana mandritran'ny andro ririnina sy amin’ny andro fahavaratra). 3- Fal'yaaboudou rabba hazalbaiti (Ka dia aoka hanompo ny Tompon’ity trano masina ity izy ireo). 4- Allazi At''amahoum min Jou'iin Wa aamanahoum min khaoufi (Izay nampihinana anjara azy ireo tao anaty hanoanana ary nampitony sy nanome fandriam-pahalemana azy ireo avy tao anaty tahotra). [Sourat COURAICH : 1-4].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Li'ilaafi Couraich) : Ny tiany hambara eto dia ireo zavatra nahazatra azy ireo tamin'ny fandehanana ara-barotra izay fanaon'izy ireo amin'ny andro ririnina sy main-tany.
🎧 2- (iilafihim rihlata'shitaa'ii Waswaif) : Ny fandehanana ara-barotra izay natao tamin'ny ririnina nankany Yamen, ary ny fandehana ara-barotra izay natao tamin'ny andron'ny main-tany kosa dia nandeha tany Chami izay tao anatn'ny filaminana tanteraka.
🎧 3- (Fal'yaaboudou rabba hazalbaiti) : Aoka ianareo mba hanompo an'i Allah irery ihany, tompon'ilay trano masina (AL-KAABA), izay manamora ny fandehanana ara-barotra rehetra izay ataonareo, ary tsy misy mpikambana aminy.
🎧 4- (Allazi At''amahoum min Jou'iin Wa aamanahoum min khaoufi) : Izay nampisakafo azy ireo tamin'ny hanoanana, ary nampitony azy ireo tamin'ny fatahorany, Tamin’izay napetraka tao am-pon’ny Arabo mba hanomezam-boninahitra ny fitoerana masina sy hanomezam-boninahitra ny mponina ao aminy.

F10 : Vakio ny Sourat AL-MAOUNA ary omeo ny dikany?

V10 : Ny Sourat AL-MAOUNA sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1 - Ara'aitallazi Youkazzibou Biddini (Mba hitanao ve ilay olona tsy mino ka milaza, fa lainga ny Andro fitsarana?). 2 - Fazalikallazi Yadool-yatim (Izany ilay manosi-boho-tànana ny kamboty). 3 - Wala Yahouddou Ala Twa'amil-miskini (No sady tsy mamporisika amin’ny fampihinanana ireo mahantra). 4- Fawailoun Lilmouswallin (Koa loza ho an'ireo mpivavaka - mpanao Swalat-). 5 - Allazina houm An swalatihim sahouna (Ireo izay manao an-tsirambina ny vavaka fanompoan’izy ireo). 6 - Allazina houm Youra'ouna - (Sy ireo feno fatra ny fisehosehoana amin’ny asany). 7- Wayamnaounal-Maouna (Ary ireo izay manakana ny fanampiana (ho an'izay mila izany). [Sourat AL-MAOUNA : 1-7].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1 - (Ara'aitallazi Youkazzibou Biddini) : Mba fanatatrao ve ilay olona mandà ny fisian'ny fitsarana amin'ny andro farany?!
🎧 2 - (Fazalikallazi Yadool-yatim) : Izy tokoa no ilay olona manositosika sy mandroaka mafy ireo zaza kamboty amin'izay filany.
🎧 3 - (Wala Yahouddou Ala Twa'amil-miskini) : Ary tsy mamporisika ny tenany, sy ny hafa amin'ny fampisakafoana ireo mahantra.
🎧 4- (Fawailoun Lilmouswallin) : Koa faharendrehana sy fanasaziana ho an'ireo mpivavaka (mpanao swalat).
🎧 5 - (Allazina houm An swalatihim sahouna) : Ireo izay manao tsirambina sy kilalao ny fanompoam-pivavahan'izy ireo, tsy miraharaha na dia efa mivoaka aza ny fotoana izay tokony hanatanterahana azy.
🎧 6 - (Allazina houm Youra'ouna) : Sy ireo izay maneho ny fisehosehoana ho hitan'ny hafa amin'ny fanompoam-pivavahana ataon'izy ireo sy ny asa soa ataony, izay tsy mba manokana ny asany ho an'i Allah.
🎧 7- (Wayamnaounal-Maouna) : Ary manakana ny fanampiana ny hafa amin'ny fomba tsy misy maharatsy ny fanampiana izy ireo.

F11 : Vakio ny Sourat AL-KAWTHAR ary omeo ny dikany?

V11 : Ny Sourat AL-KAWTHAR sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1 - Inna Aa'twainakal-Kawthar (Tena marina tokoa fa efa nomenay anao avokoa ny fahabetsaham-pahasoavana). 2- Faswalli Lirabbika wanhar : (Koa mivavaha ho an’ny Tomponao ianao ary manaova sorona ho Azy). 3- Inna Chaaniaka Houwal-Abtar (Ary tena marina fa izay mankahala anao ihany no lany taranaka). [Sourat AL-KAWTHAR : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1 - (Inna Aa'twainakal-Kawthar) : Tena marina fa efa nomenay anao - ry iraka - ny hahasoavana betsaka, ary isan'izany ny renirano AL-KAWTHAR ao amin'ny Paradisa.
🎧 2- (Faswalli Lirabbika wanhar) : Ka misaora an'i Allah amin'io fahasoavana io, ary mivavaha aminy irery ary manolora sorona ho azy, izay mifanohitra amin'ny ataon'ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny fanaovana sorona ataon'izy amin'ny sampiny.
🎧 3- (Inna Chaani-aka Houwal-Abtar) : Izay mankahala anao dia voarara amin'ny tsara rehetra, ary adino, fa rehefa tsiahivina kosa dia tsiahivina amin'ny haratsiana.

F12 : Vakio ny Sourat AL-KAFIROUNE ary omeo ny dikany?

v12 : Ny Sourat AL-KAFIROUNE sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Ya-ayouhal-Kafiroune (Lazao hoe : “Ô ianareo tsy mpino). 2- La-aaboudou ma ta'aboudouna (Tsy hanompo izay tompoinareo Aho). 3- Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou (Ary ianareo koa, dia tsy hanompo izay tompoiko). 4- Wala ana aabidoun ma abad'toum (Ary izaho koa, dia tsy hanompo izay tompoinareo na oviana na oviana). 5- Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou (Ary ianareo koa, dia tsy hanompo izay tompoiko). 6- Lakoum dinoukoum Walyadini (Ka ho anareo ny finoanareo sy ny fivavahanareo, ary dia ho Ahy kosa ny Finoako sy ny Fivavahako). [Sourato AL-KAFIROUNE : 1-6].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Qoul Ya-ayouhal-Kafiroune) : Teneno - ry iraka - : “Ô ianareo tsy mino an'i Allah.
🎧 2- (La-aaboudou ma ta'aboudouna) : Tsy hanompo ireo sampy tompoinareo aho na ankehitriny na any aoriana.
🎧 3- (Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou) : Ary ianareo ihany koa dia tsy hanompo ilay Tompo izay tompoiko, tsy iza izany fa i Allah irery ihany.
🎧 4- (Wala ana aabidoun ma abad'toum) : Ary izaho dia hanompo ireo sampy tompoinareo.
🎧 5- (Walaa antoum-aabidouna ma aaboudou) : Ary ianareo ihany koa dia tsy hanompo ilay Tompo izay tompoiko, tsy iza izany fa i Allah irery ihany.
🎧 6- (Lakoum dinoukoum Walyadini) : Manana ny fivavahanareo izay noforoninareo ho anareo ianareo, ary izaho kosa manana ny fivavahako izay nampidinin'i Allah amiko.

F13 : Vakio ny Sourat AN-NASRI ary omeo ny dikany?

V13 : Ny Sourat AN-NASRI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Iza jaa'aa nasroullahi Wal-fathi (Rehefa tonga ny famonjen’i Allah sy ny fandresena). 2- Wara'aitannasa Yadkhoulouna fidinillahi Afwajan (Ka hahita andian’olona maro hiditra amin’ny Finoan’i Allah ianao). 3- Fasabbih-bihamdi rabbika wastaghfirhou innahou kaana tawwaban (Dia derao ny voninahitry ny Tomponao ary mangataha famelan-keloka Aminy, satria fatra Mpandray fibebahana tokoa Izy). [Sourat AN-NASRI : 1-3].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Iza jaa'aa nasroullahi Wal-fathi ) : Ka rehefa tonga ny famonjen’i Allah momba ny finoanao - ry iraka - sy ny fampandresena azy amin'ny tranga fahazoana tanànan'ny Makkat.
🎧 2- ( Wara'aitannasa Yadkhoulouna fidinillahi Afwajan) : Ka hahita andian’olona maro hiditra amin’ny Finoana Islam delegasiona mifanesisesy.
🎧 3- ( Fasabbih-bihamdi rabbika wastaghfirhou innahou kaana tawwaban) : Koa fantaro fa izany no famantarana ny fiafaran’ny iraka nanirahana anao, koa mankalazà ny fiderana ny tomponao, misaorà Azy noho ny tsodranon’ny famonjena sy ny fandresena, ary mangataha famelan-keloka Aminy, fa mandray fibebahan'ny mpanompony izy, ary mamafa ny helok'izy ireo.

F14 :Vakio ny Sourat AL-MASADI ary omeo ny dikany?

V14 : Ny Sourat AL-MASADI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Tabbati yadaa abi lahabin Watabb (Ho levona anie ny tànan’i Abo-Lahab ankiroa ary ho levona koa ny tenany). 2- Maa aghna anhou malouhou wamaa kassab (Tsy hahasoa azy akory na ny hareny na izay azony). 3- Sayasla naran zata lahabin (Fa hiditra ao amin’ny afobe miredareda izy). 4- Wamra'atouhou hammalatal-hatwabi (Toy izany koa ny vadiny, ilay mpitondra kitay feno tsilo). 5- Fijidiha habloune min masadi (Misy tady voarandrana eo amin’ny vozony). [Sourat AL-MASADI : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Tabbati yadaa abi lahabin Watabb) : Matiantoka ny tànana anakiroan'ny dadatoan'ny Mpaminany (S.A.W), i Abou Lahab bin Abdoul Mouttalib noho ny fatiantoky ny asany nataony, raha izy nanao ratsy an'ny Mpaminany (S.A.W), ary matiantoka ny fikatsahany.
🎧 2- (Maa aghna anhou malouhou wamaa kassab) : Ka na tahaky ny ahoana aza fanànany harena sy ny zanaka? dia tsy hahavita hanavotra azy amin'ny sazin'i Allah, ary tsy mitondra famindram-po aminy.
🎧 3- (Sayasla naran zata lahabin) : Amin'ny Andro farany dia hiditra ao amin’ny afo izay miredareda, ary hiaritra ny hafanany.
🎧 4- (Wamra'atouhou hammalatal-hatwabi) : Ary ny vadiny, i Omm Jamil, izay nampijaly an'ny Mpaminany (S.A.W), dia hiditra ao amin'ny Afobe, noho ny fanipazany tsilo tamin'ny làlan'ny làlan'ny Mpaminany (S.A.W).
🎧 5- (Fijidiha habloune min masadi) : Misy tady mihodinkodina tsara eo amin’ny tendany, izay hitondrana azy ho any amin’ny afo.

F15: Vakio ny Sourat AL-IKHLAS ary omeo ny dikany?

V15 : Ny Sourat AN-NASRI sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Howallahou Ahad (Lazao hoe : "Izy Allah dia Tokana"). 2- Allahou Swamad (Allah dia antenain'ny rehetra). 3- Lam Yalid Walam Youlad (Tsy niteraka Izy ary tsy nateraka). 4- Walam yakoun Lahou Koufouwan Ahad (Ary tsy misy na iray aza mitovy Aminy). [Sourat AL-IKHLAS : 1-4].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Qoul Howallahou Ahad) : Teneno - ry Iraka - : “Izy Allah dia tokana ary tsy misy ankoatr'Azy."
🎧 2- (Allahou Swamad) : Any aminy no hiakaran'ireo filan'ny zavaboary rehetra.
🎧 3- (Lam Yalid Walam Youlad) : Ka tsy manana zanaka izy Allah ilay Tsitoha no sady tsy manana ray niteraka.
🎧 4- (Walam yakoun Lahou Koufouwan Ahad) : Ary tsy misy misy mitovy aminy na iray amin'ireo zavaboariny.

F16 : Vakio ny Sourat AL-FALAQ ary omeo ny dikany?

V16 : Ny Sourat AL-FALAQ sy ny fanazavana ny dikany :
Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1- Qoul Aouzou birabbil-Falaq (Lazao hoe : “Mitady fiarovana avy amin’ny Tompon’ny maraina vao mangiran-dratsy aho.") 2- Min Sharri Ma Khalaq (Manoloana ny haratsian’izay nohariany). 3- Wamin Sharri Ghasiqin iza waqab (sy ny kitroky ny haizina rehefa alina tanteraka ny andro). 4- Wamin Sharrin naffathati fil-ouquad (ary ny haratsian’ireo mpitsoka (mpamosavy) amin’ny vona). 5- Wamin Sharri hasidin Iza hasada (sy ny haratsian’ny mpialona rehefa velom-pialonana). [Sourate AL-FALAQ : 1-5].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Qoul Aouzou birabbil-Falaq) : Teneno - ry Iraka - Mifikitra amin'ny tompon'ny maraina aho, ka mangataka fiarovana aminy.
🎧 2- (Min Sharri Ma Khalaq) :Amin'ny haratsiana manimba ireo zavaboary.
🎧 3- (Wamin Sharri Ghasiqin iza waqab) : Ary mitady fialofana amin'i Allah aho amin'ireo ratsy miseho amin'ny alina amin'ny biby sy ny mpangalatra.
🎧 4- (Wamin Sharrin naffathati fil-ouquad) : Ary mangataka fiarovana ny tenako amin'ny faharatsian'ny mpamosavy mitsoka ny fatotra.
🎧 5- (Wamin Sharri hasidin Iza hasada) : Ary mangataka fiarovana amin’ny faharatsian’ny olona mankahala ny namany rehefa velom-pialonana amin'ny fahasoavana nomen’i Allah azy ireo, ka maniry ny hanjavonany tsy ho eo amin'izy ireo, ary hanisy ratsy azy ireo.

F17 : Vakio ny Sourat AN-NASI ary omeo ny dikany?

V17 : Ny Sourat AL-FALAQ sy ny fanazavana ny dikany :
1- Bismillahi Rahmani Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo).
1-Qoul Aouzou Birabbin Nasi (Lazao hoe : “Mitady fiarovana avy amin’ny Tompon’ny olombelona Aho). 2- Malikin-Nasi (Ilay Mpanjakan'ny olombelona). 3- Ilahin-Nasi (Andriamanitry ny olombelona). 4- Min Sharil-Waswasil Khannasi (Manoloana ny haratsian’ireo mpibitsika antsokosoko). 5- Allazi Youwaswisou fisodorin-Nasi (Izay mibitsibitsika ao am-pon’ny olombelona). 6- Minal-Jinnati Wan-Nasi (Avy amin’ny Jiny izany sy avy amin’ny olombelona). [Sourat AN-NASI : 1-6].
- Fanazavana ny dikany :
🎧 1- (Qoul Aouzou Birabbin Nasi) : Teneno - ry Iraka - Mifikitra amin'ny tompon'ny olombelona aho, ka mangataka fiarovana aminy.
🎧 2- (Malikin-Nasi) :Manao izay tiany amin'izy ireo, ary tsy manana mpanjaka hafa izy ireo ankoatra azy.
🎧 3- (Ilahin-Nasi) : Tompo tomoin'izy ireo am-pahamarinana, ka tsy misy tompo tompoina am-pahamarinana ankoatra azy.
🎧 4- (Min Sharil-Waswasil Khannasi) :Manoloana ny faharatsian’i Satana, izay manipy bitsibitsika ratsy amin’ny olona.
🎧 5- (Allazi Youwaswisou fisodorin-Nasi) : Izay manipy ny bitsibitsika ratsy ao am-pon'ny olombelona.
🎧 6- (Minal-Jinnati Wan-Nasi) :Ilay mpibitsibitsika ratsy dia mety avy amin'ny olombelona na koa avy amin'ny Jiny.

- TARANJA HADISY :14

F1 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Ny asa rehetra dia miainga amin'ny finiavana ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V1 : Tatitra avy amin'ny lehiben'ireo mpino silamo, Abou Hafsi Oumar Ibn Al-Katwab (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny asa rehetra dia miainga avy amin'ny finiavana, ary ny tsirairay dia samy ahazo valin'ny fikasana nataony, Ka izay nifindra monina nohon'ny tompo Allah sy ny irany dia hahazo valisoan'ny fifindra monin'i Allah sy ny irany, fa raha nifindra monina noho ny fiainana eto an-tany na koa vehivavy ho vadiany, dia izay nokasainy ihany no ho azony". [Notaterin'i Al-Boukariou sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny asa rehetra izay atao dia mitaky ny finiavana, toy ny Swalat, fifehezana, Hadj, sy ankoatr'izay amin'ireo asa fanompoana.
2- Tsy maintsy natokana ho an'i Allah irery ihany ny finiavana.
Ny HADISY FAHAROA :

F2 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Izay nitondra zava-baovao amin'ny finoanay ity ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V2 : Tatitra azo avy amin'ny renin'ireo mpino silamo, Oummou Abdillahi, Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nitondra zava-baovao amin'ity finoantsika ity nefa zavatra tsy tao anatiny dia averina aminy". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Fandrarana ny famoronana amin'ny finoana.
2-Ny asa noforonona rehetra dia averina amin'ny tompony fa tsy azo raisina.
HADISY FAHATELO :

F3 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Rehefa izahay niara-nipetrapetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V3 : Tatitra avy tamin'i Oumar (R.A) niteny hoe : Indray andro izahay niara-nipetrapetraka teo amin’ny Mpaminany (S.A.W), dia nipoitra tampoka lehilahy mainty volo izay mitafy lamba fotsy, tsy hita eo amin’ny endriny ny manamarika fa mpiavy izy, ary tsy nisy nahalala azy na iray taminay. Nanantona izy ary nipetraka teo akaikin’ny Mpaminany (S.AW) ka napetrany teo amin’ny lohalin’ny Mpaminany ny lohaliny, no sady napetrany teo ambony feny ny tanany ka niteny izy nanao hoe : O ry Mouhammad! lazao amiko ny atao hoe Islam? Namaly i Mpaminany manao hoe : “Ny Islam dia ny fijoroanao vavolom-belona fa tsy misy tompo azo tompoina marina afa-tsy i Allah irery ihany, ary i Mouhammad dia irakin'i Allah, Ny fanangananao ny Swalat, Ny famoahanao ny Zakat, Ny fifehezanao amin’ny volana Ramadany, ary ny fanaovanao ny fivahinianana masina any Makkat raha afaka manao izany ianao. Niteny ilay lehilahy hoe : Marina ny voalazanao.Gaga taminy izahay, Satria manontany izy ary mbola manamarina ihany koa. Dia hoy izy nanohy ny fanontaniany : Lazao amiko ny atao hoe ny foto-pinoana (IMANI)? i Namaly Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny finoanao an’i Allah, ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo irany, ny andro farany, ary ny lahatra tsara sy ny ratsy”. Dia niteny izy hoe : Marina ny voalazanao. Ary mbola nanontany izy : Lazao amiko ny atao hoe hatsarana, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny hatsarana dia ny fanompoanao an’i Allah tahaky ny mahita azy, ary raha tsy mahita azy ianao, dia fantaro fa izy no mahita anao. Dia hoy ilay lehilahy hoe : Lazao amiko oviana ilay ora farany? Hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe: Na ilay anontaniana na ny mpanontany dia samy tsy misy mahalala momba izany. Mba ambarao ahy ary ny famantarana azy hoy ilay rangahy? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Ny andevo vavy hiteraka ny tompony, ary ireo tsy mikapa sy tsy mitafy no sady mahantra, mpiandry ondry ho lasa mpanankarena ka hanangana trano avo lehibe mijoalajoala. Avy eo dia lasa ilay rangahy mpanontany. Afaka andro vitsivitsy dia nanontany ahy i Mpaminany (S.AW) hoe : "Fantrao ve ry Oumar iza no nanontany ahy iny?”, Dia niteny aho hoe : i Allah sy ny Irany ihany no mahalala, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) tamiko hoe : Iny Anjely Djibril tonga hampianatra anareo ny finoanareo. [Notaterin'i Moslimo].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Nanambara ireo fototry ny finoana Islam dimy, ireto avy :
Fijorona vavolombelona fa tsy misy tompo tompoina afa-tsy i Allah, ary i Mouhammad dia irak'i Allah.
Fananganana ny Swalat.
Famoahana ny Zakat.
Fifehezana amin'ny volana Ramadan.
Fivahiniana masina any amin'ny trano masin'i Allah.
2- Nanambara ireo fototra enina hijoroan'ny finoana, ireto avy :
-Finoana an'i Allah.
-Ireo anjeliny.
-Ireo bokiny.
-Ireo irany.
-Ny andro farany.
-Ny anjara tsara sy ny ratsy.
3- Nanambara momba ny fanaovan-tsoa, izy io dia manana fototra iray fotsiny, dia ny fanompoanao an'i Allah tahaky ny mahita azy, fa rehefa tsy hitanao izy, dia tadidio fa izy mahita anao.
4-Fotoana hahatongavan'ny andro farany, tsy misy mahafantatra izany afa-tsy i Allah irery ihany.
Ny HADISY FAHAEFATRA :

F4 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Ny mpino tena manam-pinoana ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V4 : Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny tena manam-pinoana indrindra amin'ireo mpino, dia izay tsara toetra indrindra amin'izy ireo". Notaterin'i Tirimizi ary niteny izy nanao hoe : Hadisy Hassanoune Soahihy.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Famporisiana amin'ny hatsaram-panahy.
2- Ny fahafenoan'ny fitondran-tenadia fahafenoan'ny finoana.
3-Ary ny finoana mitombo sy mihena.
HADISY FAHA-DIMY :

F5 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Izay mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V5 : Tatitra azo avy amin'i Ibn Oumar (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay nianina amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah dia efa nikomy na efa nanompo sampy". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

- Tsy azo atao ny mianiana afa-tsy amin'i Allah irery.
- Ny fianiana amin'ny zavatra hafa ankoatr'i Allah dia tafiditra anatin'ny fanompoan-tsampy kely.
HADISY FAHA-ENINA :

F6 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V6 : Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy hino mihitsy ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy mihoatra ny rainy, sy ny zanany, ary ny olombelona rehetra". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

- Voadidy ny fitiavana an'ny Mpaminany (S.AW) mihoatry ny olombelona rehetra.
- Satria izany no fahafenoan'ny finoan.
NY HADISY FAHA - FITO :

F7 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy mankatia ny namany ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V7 : Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tsy ho mpiny ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ho an'ny rahalahiny, izay rehetra tiany ho an'ny tenany". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Nympino dia tokony hankatia zava-tsoa ho an'ny rahalahiny tahaky ny hitiavany izany ho an'ny tenany.
- Ary izany dia fahafenoan'ny finoana.
NY HADISY FAHA-VALO :

F8 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Mianiana aho amin'ilay mitazona fofon'aiko eo am-pelatanany ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V8 : Tatitra azo avy amin'i Abou Saiid (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mianina aho amin'ilay mitazona ny fofon'aiko eo am-pelatànany! fa izy io dia mitovy lanja amin'ny ampahatelon'ny Coran". [Notaterin'i Al-bokhaari].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny tombotsoan'ny Sourat AL-IKHLAS.
2-izy io dia mitovy lanja amin'ny ampahatelon'ny Coran.
NY HADISY FAHA-SIVY :

F9 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Tsy misy hery sy tanjaka afa-tsy amin'i Allah ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V9 : Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tsy misy hery sy tanjaka afa-tsy amin'i Allah dia harena lehibe amin'ireo harena ao amin'ny Paradisa". [Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Tombotsoan'io teny io ary izy io dia harena lehibe amin'ireo harena ao amin'ny Paradisa.
2-Fisitahan'ny mpanompo iray ireo manodidina azy, ary fianteherany any amin'i Allah irery ihany.
NY HADISY FAHA-FOLO :

F10 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Tena marina fa ao amin'ny vatana dia misy vongan-kena ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V10 : Tatitra azo avy amin'i Nouman Ibn Bashir (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tena marina fa ao anatin'ny vatana iray dia misy vongan-kena, ka raha tsara izy io dia ho tsara avokoa ny vatana iray manontolo, ary raha ratsy izy io dia ratsy manaraka azy ny vatana iray manontolo, tsy inona izany fa ny fo". [Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim].
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Ny hatsaran'ny fo dia mitondra fahatsaran'ny aty ivelany sy ny ao anatiny.
2- Ny fitandrovana fatratra ny fanatsarana ny Fo satria amin'izany no hahatonga fahatsaran'ny olombelona.
NY HADIISY FAHA IRAIK'AMBIN'NY FOLO :

F11 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Izay fara-teniny eto an-tany ny hoe : Tsy misy tompo azo tompoina af-tsy i Allah ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V11 : Tatitra azo avy amin'i Mouaz Ibn Jabal (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.Ww) : "Izay fara-teniny eto an-tany ny hoe : Tsy misy tompo azo tompoina af-tsy i Allah, dia miditra ao amin'ny Paradisa". Notaterin'i Abou Daoud (R).
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Vokatsoan'ny fitenenana tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy i Allah, ary amin'ny alàlan'izany no hidiran'ny mpanompo iray ny Paradisa.
2-Vokatsoan'ny fitenenana tsy misy tompo azo tompoina afa-tsy i Allah farany mialohan'ny ahafatesana.
NY HADISY FAHA ROA AMBIN'NY FOLO :

F12 :Tohizo ny Hadisy hoe : "Tsy mpino silamo ilay mpamoaka teny ratsy sy mpanozina ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V12 : Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoundi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena tsy mpino ireo izay manendrikendrika, manozona, manao vetaveta, na koa manao ratsy". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Ny fandrarana ireo teny tsy marina sy manevateva rehetra.
-Ny tena toetran’ny mpino dia eo amin’ny lelany.
NY HADITH FAHATELO AMBIN'NY FOLO :

F13 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Isan'ny mahatsara finon'ny olona iray ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V13 : Tatitra avy amin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Isan'ny mahatsara finona Islam-n'ny olona iray, dia fiatahany amin'izay zavatra tsy mahakasika azy". Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1- Fiatahana izay zavatra tsy mahakasika ny olona amin’ny resaka fivavahana sy ny raharahany eto an-tany.
2- Ny fiatahanao ny zavatra tsy mahakasika anao dia isan'ny mahafeno ny finoanao.
HADISY FAHA EFATRA AMBIN'NY FOLO :

F14 : Tohizo ny Hadisy hoe : "Izay namaky litera ao amin'ny bokin'i Allah ...", ary tanisao ireo tombotsoa sasantsasany azo avy aminy?

V14 : Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoundi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay namaky litera iray ao amin'ny bokin'i Allah dia hahazo valisoa izy, ary ny valisoa dia ampitomboina ho folo avo heny, ary tsy miteny aho hoe : Alif Lam Mim litera, fa kosa Alif litera, ary Lam litera, ary Mim dia litera ihany koa". Notaterin'i Tirmizi.
Ireo tombotsoan'ny Hadisy :

1-Valisoan'ny famakina ny Coran.
2-Ary isaky ny Litera iray vakinao ao amin'ny Coran dia ahazoanao fahasoavana.

TARANJA FAHALALAM-POMBA ISLMAIKA26

F1 : Ahoana ny fomba fanehoana ny fahalalam-pomba miaraka amin'i Allah?

V1 : 1-Fanomezam-boninahitra azy ilay avo Tsitoha.
2-Fanompoana azy irery ary tsy misy mpikambana aminy.
3-Fankatoavana azy.
4-Fanalavirana ny fanotana azy.
5-Fankasitrahana azy amin'ireo karazam-pahasoavana sy fitahina izay tsy tambo isaina.
6-Fiaretana amin'ireo lahatra nataony.

F2 : Ahoana ny fomba fanehoana ny fahalalam-pomba amin'ny Mpaminany (S.A.W)?

V2 : Fanarahana azy sy fakana azy ho modely.
2-Fankatoavana azy.
3-Manalavitra ny fanotana azy.
4-Finoana sy fanekanaamin'izay rehetra nolazainy.
5- Tsy mamorona na manampy ireo sori-dàlana napetrany.
6- Ny Fitiavana azy lehibe mihoatra ny vatatena sy ny olombelona rehetra.
7- Fanomezam-boninahitra azy sy fanohanana azy ary fiarovana ny sori-dàlany.

F3 : Ahoana ny fomba fanehoana ny fahalalam-pomba manoloana ny ray aman-dreny?

V3 : 1-Fankatoavana ny ray aman-dreny raha tsy mbola ao anatin'ny fahotana.
2- Fitahina ireo ray aman-dreny.
3- Fanampiana ireo ray aman-dreny.
4- Manome ireo hetahetan'ny ray aman-dreny.
5-Fangataham-pitahina (Douan) ho an'ireo Ray aman-dReny.
6- Milamahalala fomba miaraka amin'ireo indrindra amin'ny teny avoaka, ka tsy mahazo miteny hoe : Eisy!, ary io no teny tsy fanajana ambany indrindra.
7- Mitsikitsiky manoloana ny ray aman-dreny ary tsy mimenomenona.
8- Tsy mampiakatra ny feoko ho ambonin'ny feon'ny ray aman-dreny aho, mihaino azy ireo aho, tsy manapaka azy ireo rehefa miresaka, tsy miantso azy ireo amin'ny anarany, fa hoy aho hoe: "Raiko", "Reniko".
9- Mangataka alàlana aho mialohan'ny hidirana ao amin'ny raiko sy ny reniko raha mbola ao anaty efitrano izy ireo.
10- Manoroka ny tànana sy ny lohan'ny ray aman-dreny.

F4 : Ahoana ny fomba fanehoana ny rohim-pihavanana?

V4 : 1-Famangiana havana akaiky toy ny anadahy, anabavy, dadatoa, nenitoa, rahalahin-dray, anabavin-dray sy ny havany sisa.
2-Fanaovan-tsoa amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny teny sy fihetsika ary fanampiana azy ireo.
3- Anisan'izany fiantsoana azy ireo amin'ny finday mba manontany ny momba azy ireo.

F5 : Ahoana ny fomba fanehoana ny fahalalam-pomba manoloana an'ireo rahalahiko sy namako?

V5 : 1-Mankatia sy miaraka hatrany amin'ireo tsara fitondran-tena.
2-Manalavitra sy mihataka ireo ratsy fitondran-tena.
3-Miarahaba ireo rahalahiko sy mifandray tànana amin'izy ireo.
4-Mamangy azy ireo raha sendra marary ary mangataka fahasalamana ho azy.
5-Ary mandeha Douan Yarhamoukallaho ho azy rehefa mihevina.
6-Mamaly ny fanasany raha sendra miantso ahy hamangy azy.
7-Manolotra sosokevitra ho azy.
8-Manampy azy raha sendra voambaka, ary manakana azy amin'ny fanambakana.
10-Mankatia zava-tsoa ho an'ny rahalahiko silamo tahaky ny hitavako izany ho an'ny tenako.
11-Manampy azy aho raha sendra mila vonjy amiko.
12-Tsy manao ratsy azy na amin'ny teny na amin'ny fihetsika.
13-Tazomiko mandrakariva ny tsiambaratelony.
14-Tsy manompa azy, tsy mifosafosa azy, tsy manambanimbany azy, tsy mialona azy, tsy mitsikilo azy, tsy mamitaka azy.

F6 : Inona ireo fahalalam-pomba manoloana ny mpiray vodirindrina?

V6 : 1-Manao soa amin'ireo mpiray vodirindrina amiko amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika ary manampy azy aho raha sendra mila vonjy amiko.
2-Miarahaba azy aho rehefa faly toy ny fetin'ny Eid sy ny fanambadiana na koa ankoatr'izay.
3-Mamangy azy raha marary ary miara-miory aminy raha sendra fahorina.
4-Manome izay nomaniko tamin'ny sakafo raha mahampy.
5-Tsy manao ratsy azy na amin'ny fiteny na fihetsika.
6-Tsy manelingelina azy amin'ny fampiakaram-peo aho no sady tsy mitsikilo azy, ary miharitra amin'izay zavatra ataony amiko.

F7 : Inona ireo fahalalam-pomba amin'ny fandraisam-bahiny sy ny vahiny?

V7 : 1-Manaiky izay nanasa ahy hampiantrano azy aho.
2- Raha te hitsidika olona ianao dia mangataha alàlana sy fotoana.
3-Mangataka alàlana aho mialohan'ny hidirana.
4-Tsy mijanona ela loatra aho rehefa mamangy olona.
5-Ary mampihondrika fijery aho manoloana ireo ankohony.
6- IMiarahaba an'ilay vahiny aho ary mandray azy amin'ny fomba tsara indrindra, amin'ny endrika falifaly, ary amin'ny fomba fiteny mahafinaritra indrindra.
7- Ampetrako amin'ny toerana tsara sy mahafinaritra ilay vahiny.
8- Ary omeko voninahitra amin'ny sakafo sy ny zava-pisotro ilay vahiny.

F8 : Tanisao fomba fanao rehefa marary sy fahalalam-pomba rehefa mamangy olona marary?

V8 : 1- Rehefa mahatsapa fanaintainana aho; Mametraka ny tanako ankavanana eo amin’ny faritra manaintaina, dia miteny hoe: “Bismillahi - Amin’ny anaran’i Allah” in-telo, avy eo miteny hoe: “Aozou Bi'izzatillahi Waqoudratihi Min Charri Ma ajidou Wa Ouhazir - izay midika : Mangataka fiarovana amin’ny voninahitr'i Allah sy ny heriny manoloana ny faharatsian’izay hitako sy atahorany” im-pito.
2- Manaiky izay nalahatr'i Allah amiko sy miharitra aho.
3- Hafainganiko famangiana ny rahalahiko marary, ary mivavaka ho azy aho, ary tsy mijanona ela eo aminy.
4-Mamaky ireo toninm-bavako aminy aho na dia tsy mangataka izany amiko aza izy.
5- Manoro hevitra azy aho mba hanam-paharetana, hitalaho (hanao Douan), hivavaka, ary hanadio ny tenany araka izay azony atao.
6-Douan ho an’ny marary : “As'aloullahal-azim rabbil-archil Azim An-Yachfika - Izay midika hoe : Mangataka amin'i Allah ilay tsitoha, tompon'ny seza fiandrianana lehibe mba hanasitrana anao" vakina im-pito.

F9 : Tanisao ireo fahalalam-pomba eo am-pitadiavana ny fahalalana?

V9 : 1- Fanokanana ilay fikasana fitadiavana fahalalana ho an'i Allah irery ihany.
2-Ampihariko ilay fahalalana nianarako.
3-Hajaiko ny mpampianatra ary omeko voninahitra na manoloana ahy na any ambadika.
4-Mipetraka am-pahendrena aho manoloana ny mpampianatra.
5-Mangina aho sady miahino azy ary tsy manapaka ny fampianarany.
6-Mahalala fomba rehefa hametra-panontaniana.
7-Tsy antsoiko amin'ny anarany izy (ilay mpampianatra).

F10 : Inona ireo fahalalam-pomba manoloana ny fivorina?

V10 : 1-Miarahaba an'ireo mpivory aho.
2-Mipetraka eo amin'ny fihafaran'ny fipetrahan'ny mpivory aho, tsy mampitsangana olona amin'ny toerany no sady tsy mipetraka eo anelanelan'ny olona roa raha tsy nahazo alàlana avy tamin'izy roa.
3-Mikisaka aho mba hanome toerana sy hepetrahan'ny hafa.
4-Tsy manapaka resaka eo am-pivorina.
5-Mangataka alàlana sy manao veloma rehefa hiala ny fivorina.
6- Rehefatapitra ny fivorina dia mamaky ilay Douan famaranana ny fivorina : "Soubhanakallahouma Wabihamdika, Ach'hadou An-Lailaha illa Anta, Astaghfirouka Wa atoubou ilaika".

F11 :- Tanisao ireo fomba fanao rehefa handeha hatory?

V11 : 1-Matory aloha aho.
2-Matory miaraka amin'ny fahadiovana (Ouzou).
3-Tsy matory miankohoka aho.
4- Matory amin’ny ilany ankavanana aho, ary ataoko eo ambanin’ny takolako havanana ny tanako havanana.
5- Akopako ny fandrina.
6-Mamaky ireo tonim-bavaka fanao mialohan'ny matory aho, toy ny Ayatoul-Koursiou, sy ny Sourat Ikhals, sy ny fiarovana anakiroa (Qoul Aouzou birabbil Falaq - sy Qoul Aouzou birabbin Nasi) vakina in-telo. Avy eo aho miteny hoe : "Bismikallahoumma Amouto Wa Ahya".
7-Mifoha mamonjy ny Swalat Fajri aho.
8- Aorian'ny fifohazako amin'ny torimaso,dia miteny aho hoe : "Alhamdoulillahi Lazi Ah'yiana ba'ada ma amaatana Wa ilaihn-noushour".

F12 : Inona ireo fahalalam-pomba rehefa hisakafo?

V12 :
1- Minia aho, amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ataoko, mba hampahery ny tenako amin’ny fankatoavana an’i Allah.
2-Fanasana ny tànana roa mialohan'ny hisakafo.
3- Miteny aho hoe : “Bismillahi - Amin’ny anaran’i Allah”, ary mihinana amin’ny tanako havanana sy izay manakaiky ahy aho, ary tsy mihinana eo afovoan’ny lovia, na eo faritry ny hafa.
4-Raha nanadino niteny anaran'i Allah aho dia miteny hoe : "Bismillahi Fi Awwalihi Wa akhirihi - Amin'i anaran'i Allah tamin'ny fiandohany sy ny fihafarany".
5- Mifaly amin'ny sakafo misy eo aho, ary tsy mitsikera sakafo, raha tiako dia mihinana aho, ary raha tsy tiako kosa dia avelako.
6-Mihinana kelikely fotsiny aho, fa tsy mihinana marobe.
7-Tsy mitsoka amin'ny sakafo na zava-pisotrao aho, fa avelako manadram-pangatsiahany.
8-Miara-misakafo amin'ny fianakaviana na ny vahiny aho.
9- Tsy manomboka misakafo alohan'ny olon-dehibe kokoa noho izaho aho.
10-Manonona anaran'i Allah aho rehefa misotro, ary misotro mipetraka aho ka in-telo miantoana ny fisotroako.
11- Misaotra an'i Allah aho rehefa avy nisakafo.

F13 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa hisikina lamba?

V13 : 1-Manomboka manao ny akanjoko amin’ny ilany havanana aho, ary misaotra an’i Allah noho izany.
2-Tsy alaivaiko hatrany ambainin'ny kitro roa ny lambako.
3- Ny ankizilahy tsy manao ny akanjon’ny ankizivavy, ary ny ankizivavy tsy manao ny ankizilahy.
4- Tsy maka tahaka ny fitafian’ny tsy mpino na ireo ratsy fitondran-tena.
5- Ny fitenenana Bismillahi (Amin'ny anaran'i Allah) eo am-panalana ny akanjo.
6-Manomboka amin'ny havanana rehefa hanao kiraro, ary manomboka amin'ny havia rehefa manala azy.

F14 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa hitaingina fitaovam-pitaterana?

V14 : 1 -Miteny hoe : Bismillahi (Amin'ny anaran'i Allah) aho. Avy eo "Soubhanallazi Sakhara lana haza Wama kounna lahou mouqrinina". Ary "Wa inna ila rabbina lamounqalibouna". [Sourat Àzzohrouf : 13 -14].
2- Raha sendra mandalo eo anatrehan'ny mpino silamo dia miarahaba azy aho.

V15 : Tanisao ireo fahalalam-pomba rehefa eny an-dàlana?

V15 : 1-Tony sy manetry tena aho amin’ny fandehanako, ary mandeha eo ankavanan’ny làlana aho.
2-Arabahabaiko izay mifanena amiko.
3- Mampihondrika fijery aho, ary tsy mampahory ny hafa.
4-Mamporisika amin'ny fanaovana tsara, ary mandrara amin'ny fanaovana ratsy.
5-Manala ireo zavatra mety handratra eny an-dàlana.

F16 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa hiditra sy hivoaka ny trano?

V16 : 1-Mivoaka ny trano amin'ny tongotro havia aho ary miteny hoe : "Bismillahi, Tawakaltou alallahi, La hawla wala kouwwata illa billahi, allahoumma inni aouzou bika an Oudhilla awou oudwalla, Aw azilla aw ouzalla, ao azlim aw ouzlam, aw ajhal ao youjhal alaiya". 2-Miditra ny trano amin'ny tongotro havanana aho ary miteny manao hoe : "Bismillahi Waljna, Wabismillahi kharajna, Wa alallahi tawakalna".
3-Miatomboka amin'ny fborisina nify kely amin'ny siwak aho ary miarahaba ireo ankohonako.

F17 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa hiditra toram-pivoahana?

V17 : 1-Miditra ny toeram-pivoahana amin'ny tongotro havia.
2- Arymamaky ilay Douan aho mialohan'ny hiditra ao : "Bismillahi, Allahoumma inni Aouzou bika minal-khoubthi Wal-khabaa'ith".
3-Tsy mitondra zavatra misy anaran'i Allah aho.
4-Miafina tsy hitan'ny olona aho eo am-pivoahana.
5- Tsy miteny aho eo am-pamoahana maloto.
6-Tsy mitodika ny Quiblat aho na miamboho azy rehefa eo am-pivoahana ranony na ventiny.
7-Mampiasa tànako havia aho eo am-panadiovana ny loto, fa tsy mampiasa ny tànako havanana.
8-Tsy mivoaka eo amin'ny làlan'ny olona aho sy ny toerana fialokalohan'izy ireo.
9-Manasa tànana aho aorian'ny fivoahako.
10-Mivoaka amin'ny tongotro havanana aho ary dia miteny hoe : "Ghoufranaka".

F18 : Tanisao ireo fahalalam-pomba manoloana ny toeram-pivavahana (mosquée)?

V18 : 1- Miditra ny mosquée aho amin'ny tongotro havanana ary miteny manao hoe : "Bismillahi, Allahoumaftah-Li Abwaba rahmatika".
2-Tsy mipetraka aho raha tsy efa nanao Swalat 2 Rakkats.
3-Tsy mandalo manoloana an'ireo mpanao Swalat aho ary tsy manontany zavatra very ao amin'ny mosquée, ary tsy mivarotra na mividy zavatra ao amin'ny mosquée.
4-Mivoaka ny mosquée amin'ny tongotro havia aho ary miteny manao hoe : "Allahoumma Inni As'alouka min fadhlika".

F19 : Tanisaoireo fomba fanao rehefa miarahaba?

V19 : 1- Rehefa mifanena amin'nympino silamo aho dia miaraha azy mialoha, amin'ny fitenanana hoe : "ASSALAm ALAIKOUM WARAHMATOULLAHI WABARAKATOUH", tsy misy afa-tsy ny fiarahabana; ary tsy manondro amin'ny tànako aho.
2-Mitsika amin'ireo olona izay arahabaiko aho.
3-Mandray tànany amin'ny tànako havanana.
4-Izay miarahaba ahy dia valiko amin'ny fiarahabana tsaratsara koa noho ny azy na mitovy amin'izay nataony.
5-Tsy miarahaba an'ireo tsy mpino aho, ary raha sendra miarahaba ahy dia hovaliko toy ny fiarahabana nataony ahy.
6-Ny kely miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro.

F20 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa mangata-dàlana?

V20 :Miera aho mialohan'ny hiditra ny toerana iray.
2-Mandondona in-telo aho ary tsy manampy ankoatr'izay, fa raha tsisy mampandroso dia mverina aho.
3-Mandondona ny varavarana aho, ary tsy mitsangana manoloana ny varavrana, fa na any amin'ny ilany ankavanana na ankavia.
4-Tsy miditra ao amin'ny efitranon'ny reniko na raiko na olon-kafa aho mialohan'ny fierana aminy, indrindra amin'ny maraina be sy ny fialan-tsasatra amin'ny atoandro ary aorin'ny Swalat Ichaa.
5-Afaka miditra amin'ny toerana tsy misy olona mipetraka aho, toy ny : hopitaly na fivarotana, na dia tsy nangataka alàlana aza.

F21 : Tanisao ireo fahalalam-pomba manoloana ny biby?

V21 : 1 - Ampihinaniko sakafo ny biby ary ampisotroiko.
2- Fangoraham-po sy fiantrana ny biby, ary tsy hampitondra azy amin'izay tsy zakany.
3-Tsy mampijaly ny biby amin'ny karazana fampijaliana na loza rehetra aho.

F22 : Tanisao ireo fahalalam-pomba eo am-panaovana ny fanatanjahan-tena?

V22 : 1 - Mikasa hampatanjaka tena aho eo am-panaovana ny fanatanjahan-tena mba ho fankatoavana an'i Allah sy fitadiavana ny fifaliany.
2-Tsy milalao amin'ny fotoam-pivavahana Swalat aho.
3- Tsymiaraka manao fanatanjahan-tena ny zazalahy sy ny zazavavy.
4-Mitafy ireo lamba fanao amin'ny fanatanjahan-tena izay manarona ny henatro.
5-Manalavitra ny fanatanjahan-tena voarara aho, ohatra hoe mamely ny tarehy sy izay mampibaribary ny firafitry ny henatra.

F22 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa misangisangy?

V22 : 1- Ny fahamarinana eo am-pisangisangina fa tsy misy lainga afafy.
2- Ny sangisangy dia tsy ahitana esoeso, fanambaniana, fanararaotana ary fandrahonana.
3- Tsytokony hanao sangy diso tafahoatra.

F24 : Tanisao ireo fomba fanao rehefa mihevina?

V24 : 1- Fametrahana ny tànana na lamba amin'ny vava sy orona rehefa mihevina.
2- Misaotra an'i Allah rehefa avy mievina ka miteny hoe : "ALHAMDOULILLAHI".
3- Ary izay akaiky eo dia miteny amin'ilay namany nihevina hoe: "YARHAMOIKALLAHO". Izay midika hoe : Tompo Allah anie hamindra fo aminao.
Ka rehefa nitenenina an'izany izy dia aoka hamaly hoe :
"YAHDIKOUMOULLAHOU WA YOUSLIHOU BALAKOUM".

F25 : Inona ireo fomba fanao rehefa manoaka?

V25 : 1- Miezaka manakana mba tsy hanoaka.
2- Tsy mampiaka-peo amin'ny fitenenana hoe : "Ah Ah".
3-Mametraka tànana eo amin'ny vava.

F26 : Tanisao ireo fahalalam-pomba eo rehefa mamaky Coran?

V26 : 1- Ny famakiana amin'ny fahadiovana aorian'ny fanaovana Ouzou.
2-Mipetraha amim-panajana sy amim-pahatokiana.
3-Mangataka fiarovana amin'i Allah mialohan'ny hamaky Coran.
4-Mandinika izay voavakiko.

TARANJA FITONDRAN-TENA30

F1 - Tanisao ireo valisoan'ny fitondran-tena mendrika?

V1 - Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny manam-pinoana feno amin'ireo mpino dia izay tsara toetra indrindra amin'izy ireo". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi sy Ahmad.

F2 - Fa maninona isika mitandro mandrakariva ny fitondran-tena Islamika ?

V2 : 1- Satria izany no antony mahatonga ny fitiavan'i Allah ilay Avo Tsitoha.
2- Ary antony fitiavan'ireo zavabory.
3-izy io no mavesa-danja indrindra eo amin'ny Mizana amin'ny andro farany.
4-Ary hampitombo ireo valisoa sy tombotsoa ny hatsaram-panahy.
5- Ary izy io famantarana ny fahafenoan'ny finoana.

F3 : Avy aiza no handraisana ny Toetra?

V3 : Avy amin'ny boky masina Coran, hoy i Allah manao hoe : (Tena marina fa ity Coran ity mitari-dàlana makany amin'ny fahitsiana ...". [Sourat Al-isra : 9]. Ary amin'ny alàlan'ny petra-bolana nomen'ny Mpaminany (S.A.W) : ka niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : (Tena marina fa nalefa aho hameno ny hatsaran-toetra rehetra). voarakitra ao amin'ny Bokin'i Ahmad.

F4 : Inona no dikan'ny fanaovan-tsoa (IHSAN) sy ny endriny?

V4 : Ny fanaovan-tsoa (IHSAN) : Fitandremana mandrakariva an'i Allah, ary manao soa sy mihantra ireo zavaboary.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Tena marina fa tompo Allah nanoratra hatsara amin'ny zava-drehetra". [Notaterin'i Mouslim].
Isan'ireo endrika hisehoan'ny fanaovan-tsoa :
- Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny fanompoana an'i Allah, dia fanokanana azy irery amin'ny resaka fanompoana rehetra.
- Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny ray aman-dReny, dia amin'ny alàlan'ny fiteny sy fihetsika.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo finakaviana sy havana akaiky.
Nyfanaovan-tsoa amin'ireo mpifanolobodirindrina.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo zaza kamboty sy ireo mahantra.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo olona nanao ratsy aminao.
Ny fanaovan-tsoa amin'ny fomba firesaka.
Ny fanaovan-tsoa eo amin'ny adihevitra.
Ny fanaovan-tsoa amin'ireo biby.

F5 : Inona no mifanohitra amin'ny fanaovan-tsoa?

V5 : Ny mifanohitra amin'ny fanaovan-tsoa dia fanaovan-dratsy.
* Ka anisan'izany :
Ny famelana ny fahadiovam-po eo amin'ny fanompoana an'i Allah.
* Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny.
* Ny fanapahana ny rohim-pihavanana.
* Ny fanaovana ratsy amin'ireo mpifanolobodirindrina sy ny manodidina.
* Ny tsy fanaovan-tsoa amin'ireo mahantra fadiranovana sy ny ankoatr'izay amin'ny teny ratsy sy ny fihetsika mamoafady.

F6 : Inona avy ireo karazana sy endrika hisehoan'ny fitokisana?

V-
1- Ny fitokisana eo amin'ny fitandroana ny zon'i Allah ilay avo Tsitoha.
Ny endriny :
Ny fitokisana eo amin'ny fanatanterahana ireo fanompoana rehetra toy ny Swalat sy ny Zakat, fifehezana ary fanaovana ny Hadj, sy ireo fanompoana hafa izay nodidian'i Allah amintsika.
2- Fiarovana ireo zon'ny zava-boary :
-Isan'ireo fiarovana voninahitry ny olombelona.
- Fiarovana fananan'izy ireo.
- Fiarovana rà-n'izy ireo.
- Fiarovana tsiambaratelom-piainan'izy ireo sy izay rehetra napetraka ho fifampitokisana eo aminao.
Niteny i Allah mahakasika toetran'ireo olona mahomby :
8- (Ary ireo izay mitandrina ireo zavatra nankinina taminy, sy izay nanaja ny fampanantenana nomeny). [Sourat Al-Mouminouna : 8].

F7 :Inona no mifanohitra amin'ny fitokisa?

V7 : Ny fitaka (Famadihana), dia famoizana ny zon’i Allah ilay Tsitoha sy ny zon’ny olona.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Famantarana ireo mpihavelatsihy dia zavatra telo" - Ary nilaza iray amin'izy ireo : "Rehefa nametraham-pitokisana dia mamadika". Notaterin'i Boukhariou sy Mouslim.

F8 : Inona no toetra fahamarinana ?

V8 : Izy io dia fampahafantarana ny zavatra mifanaraka amin'ny zava-misy na ny zava-mitranga.
- Ary ny endrika mety hisehoany :
- Ny Fahamarinana amin’ny firesahana amin’olona.
- Ny Fahamarinana amin'ny fampanantenana.
- Ny Fahamarinana amin'ny teny sy ny atao rehetra.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny fahamarinana dia mitarika ho amin'ny zava-tsoa, ary ny zava-tsoa dia mitondra any amin'ny Paradisa, ary ny olona tsy mitsahatra miteny sy manao ny marina mandram-panoratana azy hoe olona marina". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F9 : Inona no mifanohitra amin'ny fahamarinana?

V9 : Ny lainga, izay mifanohitra amin'ny marina, toy ny lainga amin'ny olona, ny fifadiana amin'ny fampanantenana, ary ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny lainga dia mitarika ho amin'ny zavatra ratsy, ary ny zavatra ratsy dia mitondra any amin'ny Afobe, ary ny olona tsy mitsahatra miteny sy mandainga mandram-panoratana azy hoe mpandainga". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim. Ary mbola niteny Ka i Mpaminany (S.A.W) : "Famantarana ireo mpihavelatsihy dia zavatra telo" - Ary nilaza ampahany tamin'izany : "Rehefa miresaka dia mandainga ary raha nampanantena izy dia tsy notanterahiny". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F10 : Tanisao ireo karazan'ny faharetana?

V10 - Ny faharetana amin'ny fankatoavana tompo Allah.
- Ny faharetana manoloana ny fahotana.
- Ny faharetana amin'ny lahatra mangirifiry, ary misaotra an'i Allah amin'ny toe-javatra rehetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina tokoa fa mankatia ireo manam-paharetana i Allah). [Sourat -Àl-'imran : 146]. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tena mahagaga ny raharahan'ny mpino, satria tsara avokoa ny raharaha momba azy, ary tsy misy olona manana an'izany afa-tsy mpino ihany. Raha mahazo azy ny soa, dia misaotra izy, izany dia tsara ho azy, ary raha misy ratsy mahazo azy, dia manam-paharetana izy, ary izany dia tsara ho azy". [Notaterin'i Moslimo].

F11 : Inona no mifanohitra amin'ny Faharetana ?

V11 : Izany dia ny tsy fisian’ny faharetana amin’ny fankatoavana, ny tsy fisian’ny faharetana amin’ny fahotana, ary ny tsy fahafaham-po amin’ireo lahatra amin’ny alàlan'ny fiteny na na fihetsika aseho.
- Ary ny endrika hisehoany :
- Faniriana ho faty.
- Mikapoka ny takolaka.
- Mandrovitra ny lamba.
- Manaparitaka ny tsy fifalina amin'ny zva-manjo.
- Nyfanaovana Douan ratsy sy faharendrehana ho an'ny tena.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) :: "Ny valisoa dia arakaraky ny halehiben'ny fitsapana mahazo, ary raha mankatia vahoaka iray i Allah dia hotsapainy, ka izay faly dia hahazo fifaliany, ary izay tezitra dia hahazo ny hatezerany". Voarakitra amin'ny bokin'i Tirmizi sy ibeno Madjat.

F12 : Tanisaoireo karazana fifanampiana sy fiaraha-miasa?

V12 : Izy io fiaraha-miasan’ny olona eo amin’ny fahamarinana sy ny tsara.
- Ny endrika hisehoan'ny fifanampiana :
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zo.
- Ny fifanampiana amin'ny famerenana ireo zavatra nalaina tsy ara-drariny :
- Ny fifanampiana amin’ny famaliana ny filan’ny olona sy ny sahirana.
- Ny fifanampiana amin'ny lafiny soa sy tsara rehetra.
- Tsy mifanampy amin'ny fahotana sy ny fampijalina ny olona ary ny herisetra.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary mifanampia ianareo amin'ny tsara sy ny fitiavam-bavaka, fa aza mifanampy kosa amin'ny fahotana sy ny hetraketraka, Koa matahora an'i Allah ianareo satria mahery vaika ny saziny". [Sourate Al-Maidat : 2]. Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino manoloana ny mpino namany dia toy ny rindrindra mifanohana ny andaniny amin'ny ankilany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia rahalahin'ny silamo namany, tsy manambaka azy, tsy manolotra azy amin'ny fahavalony, izay niezaka nanampy ny rahalahiny, dia hohampian'i Allah ihany koa, ary izay nanala mpino iray tao anatin'ny fahasahiranana, dia hafahan'i Allah amin'ireo fahasahiranana any an-koatra, ary izay nanafina kileman'ny mpino, dia hohafenin'i Allah ihany koa ny kilemany amin'ny andro farany". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F13 : Inona daholo ireo karazan'ny toetra fahaizana menatra?

V13 : 1 -Mahay menatra amin'i Allah : Dia amin'ny alàlan'ny tsy fikomianao azy.
2- Fahaizana menatra eo anatrehan’ny olona : Tafiditra ao anatin’izany ny fialana amin’ny teny vetaveta sy ny fampiharihariana ny henatra.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny finoana dia manana fito amby fitopolo" - na : "enimpolo amby enimpolo" - "sampana, ny ambony indrindra amin'ireo dia fitenenana hoe: Tsy misy tompo afa-tsy i Allah. Ary ny ambany indrindra : Dia ny fanalana ireo zavatra mandratra eny an-dàlana". [Notaterin'i Mouslim].

F14 : Tanisao ireo endrika hisehoan'ny amindram-po?

V14 : - Famindrampo sy fanajana ny zokiolona.
- Famindrampo ho amin’ny zaza sy ny ankizy.
- Famindrampo amin’ny mahantra sy ny sahirana ary ny marefo ara-pivelomana.
- Ny famindram-po amin'ny biby amin'ny alàlan'ny famahanana azy fa tsy ny fampijalina azy.
Efa manazava an'izany ilay tenin'i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Hohitanao ireo mpino amin’ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny fangoraham-pony tahaka ny vatana iray, Ka raha mitaraina ny rantsambatana iray, dia mamaly izany amin’ny tsy fahampian-torimaso sy ny tazo ny sisa amin’ny vatana". Notaterin'i Al-boukhari sy Mouslim. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ireo mpamindra fo dia hamindran'i Allah fo ihany koa, Mamindra fo amin'ireo rehetra eto an-tany, fa hamindra fo aminareo ny any an-danitra". [Notaterin'i Abou Dawod sy Tirmizi].

F15 : Inona avy ireo krazan'ny fitiavana?

V15 : - Fitiavany an'i Allah ilay Avo Tsitoha.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo manam-pinoana no tena mankatiana an'i Allah". [Sourate-Al-bakarat :165].
- Ny fitiavana an'i Mpaminany (S.A.W)
.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Mianiana aho amin'ilay mitazona fofon'aiko eo am-pelatànany, tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy mankatia ahy mihoatry ny tenany sy ny rainy ary ny zanany". [Notaterin'i Al-boukhari].
- Fitiavana an'ireo mpino, ary mankatia ny tsara ho azy ireo tahaka ny itiavanao izany ho an’ny tenanao.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy tia ny rahalahiny izay tiany ho an'ny tenany izy". [Notaterin'i Al-bokhari].

16: Omeo ny famaritana ny tikitsiky?

V16 : Izany dia famirapiratan'ny tarehy, amim-pifaliana, feno tsiky, hatsaram-panahy, ary fanehoana haravoana rehefa mihaona amin'ny olona.
Ary izy io dia mifanohitra amin'ny fiketronan'ny tarehy manoloana ny olona izay mampandositra azy ireo.
Ka izany no voalaza amin'ny Hadith, izay notaterin'i Bou Zarri (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no hihaonanao amin'ny rahalahinao". [Notaterin'i Mouslim]. Mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Ny tsikinao eo anatrehan'ny rahalahinao dia efa fanomezana(Swadaka)". Notaterin'i Tirmizi.

F17 : Inona no atao hoe fialonana?

V17 : Izy io dia fanirina mba haharavan'ny fahasoavana amin'ny olona, na koa fankahalana ny fahasoavana amin'ny olona hafa.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary mangataka fiarovana aminao manoloana ny mpialona rehefa velom-pialonana) [Sourate-Al-Falq : 5].
Tatitra azo ay amin'i Anas Ibn Malik (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza mifankahala, aza mifampialona, aza misarakatsaraka, ary meteza ianareo ho mpanompon'i Allah no sady mpirahalahy". [Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.]

F18 : - Inona no atao hoe fanesoana?

V18 : Izy io dia aniany sy fanambaniana atao amin'ny rahalahinao silamo izany, ary tsy azo atao izany.
Niteny i Allah mandrara izany manao hoe :
11- (Ô ianareo mpino ! Aoka tsy haneso andian'ny olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aoka ireo vehivavy tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika kokoa izy ireny noho izy ireo. Ary aza mifanambany ianareo ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto, raha efa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka, dia izy ireny no olona lazaina fa mpanao ny tsy rariny". [Sourate-Al-houdjorati : 11].

F19 - Farito ary atao hoe : fanetren-tena?

V19 : Tsy mitoni-tena ho ambonin'ny hafa, ka tsy manambanimbany azy ireo ary tsy manda ny fahamarinana.
Niteny i Tompo Allah manao hoe :
(Ary ireo mpanompon'ilay be indra fo rehefa mandeha eny ambonin'ny tany dia am-panetren-tena). [Sourat Al-fourqan : 63]. Izany hoe : manambany tena. Ary niteny i Mpaminany (S.A.W), manao hoe : "Ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'i Allah afa-tsy hoe asandratr'i Allah". [Notaterin'i Mouslim]. Ary mbol niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Nodidin'i Allah aho amin'ny fanetren-tena, mba tsy hireharehan'ny sasany amin'ny hafa, ary tsy hisy hampahory sasany amin'ny hafa". [Notaterin'i Mouslim].

F20 : Inona avy ireo karazana fanambonian-tena voarara?

V20 : 1- Ny fieboeboana amin’ny fahamarinana, dia ny fandavana ny marina sy ny tsy fanekena izany.
2- Ny fieboeboana amin’ny olona, izany dia fanambaniana sy fanesoana azy.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy miditra ao amin'ny Paradisa izay manana fanambonian-tena na dia kely toy ny atoma ao am-pony". Teo dia niteny iray tamin'ireo mpanara-diany hoe : "Raha ny olona iray mitia mitafy lamba tsara, sy kiraro tsara? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah dia tsara ary mankatia zavatra tsara, fa ny fanambonian-tena : dia fandavana ny fahamarinana, sy fanaovana tsinotsinona ny olona". [Notaterin'i Mouslim].
Fandavana ny fahamarinana :
tsy fanekenao azy.
Fanaovana tsinotsinona ny olona :
dia ny fanambanianao azy ireo.
- Ny fananana lamba sy ny fitafiny tsara, dia tsy voasokajy ho fanambonian-tena.

F21 : Lazao ireo karazana fitaka voarara?

V21 : Fisolokiana amin’ny fividianana sy fivarotana, izay manafina ny kileman’ny entana.
- Fisolokiana amin'ny fianarana, ary toy izany ny mpianatra maka tahaka amin'ny fanadinana.
- Fisolokiana amin'ny teny avoaka toy ny filazana lainga sy fijorona vavolombelona amin'ny zavatra disoa.
- Tsy fanatanterahanao izay nolazainao sy nifanarahanao tamin’ny olona.
Ary raha fandrarana ny fisolokina, dia : indray andro nandalo teny an-tsena i Mpaminany (S.A.W) ka nampiditra ny tànany tao anaty voamaina namidin'ny olona. Rehefa navoakany tao ny tànany dia mando be, teo izy nanontany manao hoe : "Inona ity zavatra mandao ity ry mpivarotra?, Namaly ilay mpivarotra hoe : "Tratry ny orana izy io tamin'ny alina ry iraka'i Allah". Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy navoakanao teo ambonin'ireo entana izy io mba ho hitan'ny olona? Tadidio fa izay misoloky anay dia tsy anisan'ny mpiara-dia aminay". [Notaterin'i Muoslim].
Voamaina :
Ny antontam-bokatra.

F22 : Inona no atao hoe fosafosa?

V22 : Fofasa dia fitenenanao rahalahinao silamo ny zavatra halany rehefa tsy eo izy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary aza mifampifosa ianareo samy ianareo, ka moa va misy ny iray aminareo manam-pitiavana ny ihinana ny nofotry ny rahalahiny izay efa maty dia horikoriko ianareo, ary matahora an'i Allah ianareo fa tena mpandray fibebahana tokoa i Allah". [Sourate-Al-houjorati : 12].

F23 - Faritony teny hoe tati-dresaka?

V23 : Izy io dia fitondrana resaka avy amin'ny olona makany amin'ny olona hafa mba hampiady sy hanimba fifandraisany.
Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy miditra ao amin'ny paradisa ny mpitati-dresaka). [Notaterin'i Mouslim].

F24 :Inona no atao hoe hakamoana?

V24 : Fahatsapana'ny olona vesatra amin'ny fanatanterahana ireo zavatra tsara sy ireo zavatra tokony hataony.
Anisan’izany ny :
hakamoana amin’ny fanaovana adidy.
Niteny i Allah manao hoe :
(Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy, dia mitady hamitaka an’i Allah, nefa Izy (Allah) no mamitaka azy ireo, Ary rehefa mitsangana hanatanteraka Swalat izy ireo, dia mitsangana amin’ny hakamoana no sady misehoseho aman’olona ka tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy kely ihany). [Sourat-An-Nisa :142].
Koa tokony hiala amin’ny hakamoana sy ny fitpetraham-potsiny ary ny fidonanaham-poana ny mpino ka miezaka amin’ny asa sy mihetsiketsika, ny fahamatorana ary ny fahazotoana amin’izao fiainana izao manaraka ny fomba ankasitrahan’i Allah.

F25 : Lazao ny karazana fahatezerana?

V25 : 1- Fahatezerana mendrim-piderana : io dia rehefa nitsinotsinoavin'ireo mpikomy sy ny mpihatsaravelatsihy ny fahamasinan'i Allah.
2- Ny fahatezerana mamoafady : io dia fahatezerana mahatonga ny olona hanao sy hilaza izay tsy tokony hataony.
Fitsaboana ny fahatezerana mamoafady :

- Ny fidiovana masina (Ouzou).
- Mipetraka raha mitsangana, ary matory raha sendra mipetraka.
- Manaja ilay hafatr'i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Aza tezitra".
- Mamehy tena amin'ny fihenjanana rehefa tezitra.
- Mangataka fiarovana amin'i Allah manoloana ny devoly.
- Ny fahanginana.

F26 : Inona no atao hoe fitsikilovana?

V26 : Izy io dia ny fanaraha-maso sy fitadiavana ny fahadisoan'ny olona sy izay afeniny.
- Ireo endrika maha voarara azy :
- Ny fitsidihana ireo henatry ny olona any an-tranony.
- Ny fihainoan'ny olona iray ny resaka izay hifanaovan'ireo vahoaka nefa ireo vahoaka tsy mahalala izany akory
Niteny i Allah manao hoe :
(Aza mifampitsikilo ianareo). [Sourat Al-houjorati : 12].

F27 : Inona no atao hoe fandaniam-poana? Ary inona no atao hoe fahirana? Ary inona no atao hoe fahalalahan-tànana?

V27 : Fandaniam-poana : Dia fandaniam-bola amin'ny tsy rariny.
Ary ny mifanohitra aminy :
Ny fahirana : Dia fitazomana ny vola amin'ny tsy rariny.
Ary ny tsara dia ny afovoany, ka ny mpino silamo dia tokony ho malala-tànana.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary ireo izay mamoaka fananan'izy ireo dia tsy mandanindany foana no sady tsy mahihitra ihany koa fa amin'ny antoniny eo anelanelan'izany". [Sourat Al-fourqan : 67].

F28 : Inona no atao hoe : hakanosana? ary inona no atao hoe : fasahiana?

V28 : Ny fahakanosana : dia fatahorana amin'ny fotoana izay tsy tokony hatahorana.
Toy ny tahotra ny hilaza ny marina sy ny fandavana na fanoherana ny ratsy.
Ny fasahina :
Dia fananana herim-po amin'ny fahamarinana, ary toy ny fahasahiana eo amin'ny kianjan'ny ady masina ho fiarovana ny finoana Islam sy ny mpino mpanaraka azy.
Ary i Mpaminany (S.A.W) tsy mitsahatra mamerina ilay tonim-bavaka ka miteny hoe : "Allahoumma Inni aouzou bika minal-joubni - izay midika hoe : Tompo Allah oo, mitady fiarovana aminao aho manoloana ny fahakanosana...". Ary mbola niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian'i Allah kokoa noho ny mpino malemy, fa izy roa samy misy hatsarana". [Notaterin'i Mouslim].

F29 : Manonona ampahany amin'ireo teny voarara?

V29 : Toy nyfanozonana sy ny fanompana.
- Toy ny filazana hoe : i ranina dia "biby" na fomba fiteny mitovitovy amin'izany.
- Na fanononana ny ampahany amin'ireo kileman'ny olona sy teny feno vetaveta sy ratsy.
-Ary efa noraran'ny Mpaminany (S.A.W) izany rehetra izany, ka niteny izy manao hoe : "Ny mpino dia tsy mpanindrona ny namany, na mpanozona, na mpamoaka teny vetaveta, na mpiteny ratsy". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi sy ibn Madjat.

F30 : Lazao ireo antony manampy ny silamo iray hanana fitondran-tena tsara?

V30 : 1- Manao Douan mba hanomezan'i Allah anao ny fitondran-tena tsara ary ho hampianao amin'izany ianao.
2- Ny fitandrovana an'i Allah mandrakariva, satria mahafantra sy maheno ary mahita anao izy.
3-Tsarovy mandrakariva ny valisoan’ny hatsaram-panahy ary io no antony iray hidirana ao amin’ny paradisa.
4-Tsarovy mandrakariva ny sazin’ny haratsiam-panahy ary io no antony iray hidirana ao amin’ny Afobe.
5-Ny fitondran-tena mendrika dia mitondra ny fitiavan’i Allah sy ny fitiavan'ny zavaboariny, ary ny toetra ratsy dia mitondra fahatezeran'i Allah sy ny zavaboariny.
6- Famakina ny tantaram-piainan'i Mpaminany (S.A.W) sy ny fanarana ny sori-dàlana napetrany.
7- Fiarahana amin'ny olona tsara ary fiatahana ny fiarahana amin'ny olona ratsy.

TARANJA FANGATAHAM-BAVAKA SY TONIM-BAVAKA43

f30 : Inona no valisoa azo avy amin'ny tonim-bavaka (ZIKRI)?

Miteny i Mpaminany (S.AW) manao hoe : "Ny olona mahatsiaro ny tompony sy ny olona tsy mahatsiaro azy dia toy ny velona sy ny maty". [Notaterin'i Al-boukhari].
- Satria voninahitry ny olona iray dia arakaraky ny fetram-pahatsiarovany an'i Allah.

F2 : Lazao vokatsoan'ny fahatsiarovana an'i Allah?

V2 : 1- Mahafaly an'ilay be indrafo.
2-Mandroaka ireo devoly.
3- Arymiaro ny mpino amin'ireo zava-doza.
4-Ary ahazoany fahasoana sy valisoa lehibe.

F3 : Inona notonim-bavaka tsara indrindra?

V: "LAILAHA ILLALLAHOU" izay midika hoe : "Tsy misy tompo afa-tsy i Allah". Voarakitra amin'ny Bokin'i Tirmizi sy ibn Madja.

F4 : Inona no tonim-bavaka vakiana rehefa mifoha amin'ny torimaso?

V4: "Alhamdoulillahi Allazi Ah'yana Baada ma amaatana Wa-ilaihi Noushouri". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F5 : Inona no tonim-bavaka vakinao rehefa hitafy lamba ianao?

V5 : "Alhamdoulillahi Allazi Kassani haza thawbi Warazakanihi min-ghairi hawlin minni wala kouwwa". [Notaterin'i Abo Daoud sy Tirmizi ary Nasay (R)].

F6 : Inona no tonim-bavaka tononinao rehefa manala lamba?

V6 : "Bismillahi", izay midika hoe : Amin'ny anaran'i Allah. Notaterin'i Tirmizi.

F7 :Inona no tonim-bavaka tononinao rehefa mitafy lamba vaovao?

V7 :"Allahoumma Lakalhamdou anta kasawtaniihi, As'alouka khairihi wakahiri ma soniaa lahou, Wa aouzou bika min charrihi wacharri ma soniaa lahou". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi].

F8 : Inona no tonim-bavaka atao rehefa mahita olona mitafy lamba vaovao?

V8 :Raha mahitalamba vaovao ianao tafian'ny olona dia aoka hangataka Douan ho azy amin'ny fitenenanao hoe : "Toubli Wa youkhifoullahou Taala". Notaterin'i Abou Daoud.

F9 : Lazaony tonim-bavaka vakina rehefa hiditra ny toeram-pivoahana, izy io dia toerana famoahana ny maloto?

V9 : "Allahoumma inni Aouzou bika minal-khoubthi walkhaba'ith". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F10 : Lazaony tonim-bavaka vakina rehefa mivoaka ny toeram-pivoahana?

V10 : "GHOUFRANAKA". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi].

F11 : Inona no tonim-bavaka vakina mialohan'ny hanao Ouzou?

V11 : "Bismillahi". [Notaterin'i Abo Dawod sy ny hafa ihany koa].

F12 : Inona no tonim-bavaka vakina rehefa avy nanao Ouzou?

V12 : "Ach'hadou An-Lailaha illallahou wahdahou la charika lahou, Wa ach'hadou anna Mouhammadan abdouhou warasoulouhou". [Notaterin'i Mouslim].

F13 : Inona no tonim-bavaka vakina rehefa hivoaka ny trano?

V13 : "Bismillahi, Tawakaltou alallahi, wala hawala wala kouwwata illa billahi". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi].

F14 : Inona no tonim-bavaka vakina rehefa hiditra ny trano?

V14 : "Bismillahi Walajna, Wabismillahi kharajna, Wa allallahi rabbouna tawakkalna". Avy eo miaraha ireo ao an-trano. Notaterin'i Abo Dauod (R).

F15 : Inona no tonim-bavaka tononina rehefa hiditra ny mosquée?

V15 : "Allahoummaftahli abwaaba rahamatika".

F16 : Inona no tonim-bavaka vakina rehefa mivoaka ny mosquée?

V16 : "Allahoumma inni As'alouka min fadhlika". Notaterin'i Moslimo.

F17 : Inona no Douan vakina rehefa maheno ilay fiantsoana (AZAN)?

V17 : Mamerina izay voalazan'ny mpanao Azan ao, afa-tsy hoe : rehefa miteny izy : "Haya Ala-swalat" sy "Haya Ala-Falah", dia miteny aho hoe : "Lahawla Wala Kouwwata illa billahi". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F18 : Inona no tenenina aorian'ny Azan?

V18 : Mandefa tso-drano sy vavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W). [Notaterin'i Moslimo]. Ary miteny aho hoe : "Allahoumma Rabba Hazihi-daawwati taammaa, Waswalatil-Qua'ima, Aati mouhammadan AlWasilata Wal-fadhila, Wab'ath'hou Maquaaman Mahmouda'nillazi Wa'ad'tahou". Al-Bouhkari.
Avy eodia manao Douan eo anelanelan'ny Azan sy Iquama, Satria ny Douan atao amin'io fotoana dia voavaly.

F19 :Inona ireo tonombavaka vakina isaky ny maraiana sy ny hariva?

V19 : Vakio ny Ayatoul-Koursiou : 255- (Allahou La Ilaha illa houal hayoul quayoum. La taa'khouzouhou sinatoun wala naoum. Lahou ma''fi samawati wa ma fil ardhi. Man zal lazi yashfaa' indahou illa bi'iznihi. Yaa'lamou ma baina aidihim wa ma khalfahoum, Wala youhitouna bishay'in min ilmihi illa bima shaa'a. Wasia Kousiyouhou Samawati Wal ardhi wala yaou'douhou Hifzouhouma Wahoual Alioul azim). [Sourat Al-baqara : 255]. 2- Ary vakio hoe : Bismillahi Rahmani Rahim. 1- Qoul Houwallahou Ahad (Lazao hoe: "Izy Allah dia Tokana). 2- Allahou Swamad (i Allah dia antenain'ny rehetra). 3- Lam Yalid Walam Yulad (Tsy niteraka Izy, ary tsy nateraka). 4-Walam Yakoun Lahou Koufouwan Ahad (Ary tsy misy na iray aza mitovy Aminy). - Vakina in-telo. 1- Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo. 1-Quoul Aouzou Birabbil Falaq (Lazao hoe : “Mitady fiarovana aho any amin’ny Tompon’ny maraina vao mangiran-dratsy). 2-Min sharri Ma Khalaq (Manoloana ny haratsiana izay nohariany). 3-Wamin Sharri Ghasiquin iza waquab (sy ny haratsian'ny haizin’ny alina rehefa maizi-kitroka). 4- Wamin sharrin-naffathati fil-ouqad (ary ny haratsian’ireo mpitsoka (mpamosavy) ny vona). 5- Wamin sharri hasidin iza hassad (sy ny haratsian’ny mpialona rehefa velom-pialonana)". - Vakina in-telo. 1- Bismillahi Rahman Rahim (Amin’ny anaran’i Allah, Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo). 1-Quoul aozou birabbin-Nasi (Lazao hoe : “Mitady fiarovana aho amin’ny Tompon’ny olombelona). 2- Malikin-Nasi (Ilay Mpanjakan'ny olombelona). 3- Ilahin-nasi (Andriamanitran'ny olombelona). 4- Min Charilwaswasil khannasi (Manoloana ny haratsian’ireo mpibitsika antsokosoko). 5- Allazi youwaswisou fisoudourin-Nasi (Izay mibitsika ao am-pon’olombelona). 6- Minal-Jinnati Wannasi (Avy amin’ny Jiny izany sy avy amin’ny olombelona). - Vakina in-telo. 3-"Allahoumma Anta Rabbi Lailaha Illa Anta; Khalaqtani Wa Ana Abdouka Wa Ana Ala Ahdouda Wa Waadouka Mastatwa'atou; Abou'ou Laka Biniimatika Alaya; Wa Abou'ou Bizanbi; Faghfirli Fa innahou La Yaghfirou Zounouba Illa Anta". [Notaterin'i Al-bokhaary].

F20 : Inona no tenenina eo mialohan'ny matory?

V20 : "Bismikallahoumma Amoutou Wa'Ahyia". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

F21 : Inona no teneninao mialohan'ny hisakafo?

V21 : "Bismillahi".
Ka raha sendra nadinonao niteny tany am-boalohany dia teneno hoe :
-"Bismillahi Fi Awwalihi Wa Akhirihi". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi ].

F22 : Inona no teneninao aorian'ny sakafo?

V22 : "Alhamdoulillahillazi At'amani haza, Warazakanihi, Min ghairihawlin minni walakouwwa". Voarakitra amin'ny Bokin'i Abou Daoudou sy ibn Madjah ary ankoatr'izy roa.

F23 : Inona no Douan ataon'ny vahiny ho an'ny tompon'ny sakafo rehefa avy nisakafo?

V23 : "Allahoumma bariklahoum Fima Razaktahoum, Waghfirlahoum Warhamhoum". [Notaterin'i Mouslim].

F2 : Inona ny tenenin'ny olona iray rehefa mihevina?

V24 : "Alhamdoulillahi".
- Avy eo dia miteny aminy ny rahalahiny hoe : "Yarhamoukallaho".
Ka rehefa niteny ilay rahalahiny, dia aoka ilay nihevina hiteny hoe : "Yahdikoumoullahou Wa youslih balakaoum". [Notaterin'i Al-boukhari].

F25 : Inona ny teny lazaina rehefa mitsangana niala amin'ny fivorina (Douan famaranana ny fivorina)?

V25 : "Soubhanakallahoumma Wabihamdika, Ach'hadou An-Lailaha illa anta, Astaghfirouka Wa atoubou Ilaika". [Notaterin'i Abo Daoud sy Tirmizi ary ankaoatra azy roa].

F26 : Inona no Douan tenenina rehefa hitaingin-javatra?

V26 : Bismillahi, Walhamdoulillahi (Soubhanallazi sakharalana haza wama kounna lahou mouqrinina wa inna ila rabbina lamounqalibona", "Alhamdoulillahi, Alhamdoulillahi, Alhamdoulillahi, Allahou Akbar, Allahou Akbar, Allahou Akbar, Soubhanakallahoumma Inni zwalamtou nafsi faghfirli, Fa innahou la yaghfirouzounouba illa anta". [Notaterin'i Abo Dawod sy Tirmizi].

F27 : Lazao ny Douan tenenina rehefa handeha lavitra (voyage)?

V27 : "Allahou Akbar, Allahou Akbar, Allahou Akbar,"Soubhanallazi sakharalana haza wama kounna lahou mouqrinina wa inna ila rabbina lamounqalibona", "Allahoumma Inna Nas'aalouka fi safarina haza Al-birri Wattaqwa Waminal Aamali ma Tardwa, Allahoumma Hawwin Alaina safarana haza, Watwii Anna bou'dahou, Allahoumma Anta swahibou Fissafari, Walkhalifati Fil-Ahli, Allahoumma Inni aouzou bika min wi'itha'ii safari, Waka'aabatil-Manzwar, Wasou'oul-mounqalab, Fil-Mali Wal-Ahli".
Ary rehefa miverina any an-tanàna izy dia miteny ilay teo ambony fa manampy kely hoe :
"A-yibouna, Ta-yibouna, An-bidouna, Liroabina Hamidona". [Notaterin'i Moslimo].

F28 : Inona ireo Douan ataon'ny mpandeha lavitra ho an'ireo ao an-tanàna?

V28 : "Astawdioukoullahou Allazi Ya toudiou wwada'iyaahou". Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Ahmad sy ibn Majah.

F29 : Inona no Douan ataon'ireo ao an-toerana ho an'ny mpandeha lavitra?

V29 : Astawdioullahou dinaka, Wa'amanataka, Wakhawatima amalouka". Notaterin'i Imam Ahamady sy Tirmiziou.

F30 : Inona no Douan tenenina rehefa hiditra ny tsena?

V30 : "Lailaha illallahou wahdahou la charika lahou, Lahoul-moulkou, Walahoulhamdou, Youhyii Wayoumitou, Biyadihil-khairi, Wahouwa ala koulli Chai'in Quadir". Notaterin'i Tirmizi sy ibn Madjat.

F31 : Lazao ny Douan atao rehefa tezitra?

V31 : "Aouzoubillahi Minashaytwani Rajim". Notaterin'i Al-bokhaari sy Moslimo.

F32 : Inona teny avalinao olona nanao soa anao?

V32 : "Djazakallahou Khairan". Notaterin'i Tirmiziou.

F33 : Inona no Douan tenenina rehefa manahirana ny fitaovam-pitaterana ?

V33 : "Bismillahi". Notaterin'i Abo Daoud (R).

F34 : Inona no teneninao rha misy zavatra mahafaly anao?

V34 : "Alhamdoulillahillazi Bini'imatihi tatimmouswalihati". Notaterin'i Al-Haakimo sy hafa ihany koa.

F35 : Inona no teneninao raha sendra zavatra tsy mahafaly anao?

V35 : "Alhamdoulillahi ala koullihali". Voarakitra amin'ny Boky Soahihy Al-Djami-ou.

F36 : Ahoana fomba fiarahabana sy ny famaliana azy?

V36 : Miteny ny mpino silamo iray hoe : "Assalamou Alaikoum Warahamatoullahi Wabarakatouhou".
Ary mamaly azy ny rahalahiny hoe :
"Waalaikoum Salamou Warahamatoullahi Wabarakatouhou". Ao amin'ny Bokin'i Tirmizy sy Abo Dawod ary ny hafa ankoatr'izy roa.

F36 : Inona no Douan atao rehefa mirotsaka ny ranon'orana ?

V36 : "Allahoumma Swayabn Nafian". Al-Bouhkariou.

F38 : Inona no Douan atao aorian'ny latsak'orana?

V38 : "Moutirnah Bifadhlillahi Warahamtihi". Al-Bouhkari sy Mouslim.

F39: Lazao ny Douan tenenina rehefa mandrivotra be?

V39 : "Allahoumma Inni As'aalouka khairaha Wa aouzou bika min Charriha". Notaterin'i Abo Daoud sy ibn Madjat.

F40 : Lazao ny Douan atao rehefa maheno Kotro-baratra?

V40 : "Soubhanallazi Yousabbihou Raadi Bihamdihi Wal-Mala'ikatou Min Khifatihi". Ao amin'ny Bokin'ny Mou-Oa-Toa ny Imam Maliky.

F41 : Inona no Douan atao rehefa sendra mahita olona tratry ny fitsapana?

V41 : "Alhamdoulillahillazi Aafani mimmabtalaaka bihi, Wafadhalani Ala kathirin mimman khalaka tafdwila". Notaterin'i Tirmizi.

F42 : Inona no Douan ataon'ny olona raha sendra matahotra ho voan'ny maso ratsy?.

V42 : Ao amin'ny Hadith milaza hoe : "Izay mahita zava-tsoa eny aminy sy ny rahalahiny na amin'ny fanànany ka tiany, dia aoka izy hangataka fahasoavana ho azy, Satria misy marina ny maso ratsy". Voarakitra amin'ny Bokin'i Ahamad sy ibn Madjat ary ny hafa ihany koa.

F43 : Ahoana no fomba fandefasana tso-drano sy vavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W)?

V43 : "Allahoumma Swalli aa'la Mouhammadin Wa aa'la aa'li mouhammadin kama swallaita aa'la Ibrahima Wa aa'la aa'li Ibrahima Innaka hamidoun madjid. Allahoumma baarik Aa'la Mouhammadin wa aa'la aa'li Mouhammadin kama baa'rakta aa'la Ibrahima wa Aa'la Aa'li Ibrahima Innaka hamidoun Madjid". Notaterin'i Boukhari sy Mouslim.

- TARANJA SAMIHAFA :21

F1 : Inona avy ireo fepetra dimy takina amin'ny mpino?

V1 :
1- Ny AL-WAJIB (Tsy maintsy atao).
2- Ny AL-MOUSTAHAB (Ny tsaratsara atao).
3- Ny AL-HARAM (Voarara).
4- Ny AL-MAKROUH (Tsy tsara atao).
5- Ny AL-MOUBAH (Azo atao).

F2 : Azavao ireo fepetra dimy ireo?

V2:
1- Ny AL-WAJIB (Voadidy) : Toy ireo fanompoam-pivavahana Swalat Dimy isanandro, fifehezana amin'ny volana Ramadan ary fanajana ny Ray aman-dreny.
- Ny AL-WAJIB (Voadidy) : Hahazo valisoa izay nanatanteraka azy ary ho voasazy izay nanambela azy.
2- Ny AL-MOUSTAHAB (Tsaratsara atao) : Toy ireo Sounna Rawatib, Swalat amin'ny alina sy fampisakafoana mahantra ary fanaovana Swalam. Izany dia antsoina ihany koa Sounna na Mandoub.
- Ny AL-MOUSTAHAB : Hahazo valisoa izay manatanteraka azy ary tsy ho voasazy kosa izay nanambela azy.
- Fanamarihana lehibe :
Rehefa mandre ny mpino silamo iray fa Sunnah na Moustahab ny zavatra iray, dia tokony hanafaingana ny faanaovana azy, ho fanarahana ny fomba amam-panaon'ny Mpaminany (S.A.W).
3- Ny AL-HARAM (Tsy azo atao) : Toy ny fisotroana toaka sy ny tsy fanajana ny ray aman-dreny ary fanapahana ny rohim-pihavanana.
- Ny AL-HARAM : Hahazo valisoa izay manambela azy ary ho voasazy ny manao azy.
4- Ny AL-MAKROUH (Tsy tsara atao) : Toy ny fandraisana sy fanomezana zavatra amin'ny tànana havia sy ny fanalavana ny lamba mihoatra ny felan-tànana amin'ny Swalat.
- Ny AL-MAKROUH : Hahazo valisoa izay misintaka azy, ary tsy voasazy izay manao azy.
5- Ny AL-MOUBAH (Azo atao) : Toy ny fihinanana paoma sy fisotroana dite, ary antsoina ihany koa hoe : HALAL sy azo atao.
- Ny AL-MOUBAH : Tsy hahazo valiso izay manambela azy ary tsy hahazo sazy izay nanao azy.

F3 : Inona no lalàna mamehy ny varotra sy ny fifampiraharahana?

V3 : Ny fototra amin'ny resaka varotra sy ny fifampiraharahana rehetra dia ny ara-dalàna sy azo atao, afa-tsy ireo karazana zavatra izay noraran'i Allah.
Niteny i Allah manao hoe :
- (Ary nataon'i Allah ara-dalàna ny varotra fa norarany kosa ny fanjaham-bola". [Sourate-Al-baquara : 275].

F4 : Tanisao aampahany amin'ireo varotra sy fandraharahana voarara?

V-
1- Ny fisolokiana, anisan'izany : fanafenana kileman'ny entana.
- Tatitra azo avy tamin' i Abi-Hourayrat (R.A), niteny hoe : "Indray andro i Mpaminany (S.A.W)) nandalo teo amin'ny mpivarotra sakafo (voamaina) ka nampidiriny tao anatin'ilay sakafo amidiny ny tànany, rehefa navoakany tao ny tànany dia lena. Teo izy niteny tamin'ilay mpivarotra : "Inona ity ry mpivarotra ?". Namaly azy ilay mpivarotra manao hoe : Tratran'ny ranon'orana avy any an-danitra izy io ry Irak'i Allah. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nahoana no tsy napetrakao teo ambonin’ny sakafo izy io mba ho hitan’ny olona? Izay mamitaka dia tsy isan'ny mpiara-dia amiko". [Notaterin'i Mouslim].
2-Ry fampanjanaham-bola (Riba) : Toy ny mindram-bola 1 000 ariary amin'ny olona avy eo dia averina ho 2 000 ariary.
- Ka ilay fanampiny no zana-bola voarara.
Niteny i Allah manao hoe :
- ( (Ary nataon'i Allah ara-dalàna ny varotra fa norarany kosa ny fanjaham-bola). [Sourate-Al-bakarat : 275].
3- Fitaka sy tsy fahalalana: Toy ny hoe mivarotra rononon'ny ondry izay mbola tsy azo, na trondro anaty rano, nefa tsy mbola tsy voajono akory.
Amin'ny Hadith milaza manao hoe :
"Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana varotra am-pitaka". [Notaterin'i Mouslim].

F5 : Tanisao ampahan'ireo fahasoavan'i Allah aminao?

V5 - 1 : Fahasoavan'ny finoana Islam, Satria tsy tao anatin'ireo fianaviamben'ny tsy mpino ianao.
2-Fahasoavan'ny Sounat : Tsy tao anatin'ireo fianakaviamben'ny mpanao forona ianao.
3-Fahasoavan'ny fahasalamana, toy ny fahasalaman'ny sofina, fahiratana, afaka mamindra soa aman-tsara sy ny ankoatr'izay.
4-Fahasoavan'ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fitafy.
Ary ny fahasoavan'i Allah amintsika dia maro ary tena tsy voatanisa tokoa.
Niteny i Allah manao hoe :
(Ary raha mitanisa ny fahasoavan'i Allah ianareo, dia tsy ho voatanisanareo izany ary i Allah dia be famelan-keloka sy be Indrafo). [Sourat An-Nahli : 18].

F6 : Inona no ataonao manoloana ny fahasoavana? ary ahona ny fomba fankasitrahanao azy?

V6 - Ny tsy maintsy atao : Fankasitrahana izany dia amin'ny alàlan'ny fiderana sy fisaorana an'i Allah irery amin'ny lela ary manaiky fa izy irery no tompom-pahasoavana, ary fampiasana io fahasoavana io amin'izay mahafaly an'i Allah, fa tsy sanatria akory amin'ny tsy fankatoavana azy.

F7 : Inona avy ireo fetin'ny mpino silamo?

V7 : Ny Eid AL-Fitri (Fetin'ny fisakafona) sy Eid AL-Ad'ha (fetin'ny sorona).
- Takak'ilay voarakitra amin'ny Hadith notaterin'i Annas, Rehefa tonga tao Madina i Mpaminany (S.A.W) dia nanana andro anakiroa filalaovan'izy ireo sy fety lehibe eo amin'izy ireo, dia nanontany i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Inona ity andro anakiroa ity?", Namaly izy ireo hoe : "io dia fety filalaovanay tamin'ny andron'ny habadoana", Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tompo Allah efa nanolo azy io amin'ny tsaratsara kokoa : Dia ny Eidoul-Ad'ha sy Eidoul-Fitri". [Notaterin'i Abou-daoudo].
Fa ny hafa ankoatr'izy roa io amin'ireo fety forona avokoa.

F8 : Inona no volana tsara indrindra?

V8 - Ny volana Ramadany.

F9 : Inona no andro indrindra?

V9 : Ny andro Zoma.

F10 : Inona no andro tsara indrindra ao anatin'ny taona iray?

V10- Ny andro Arafa.

F11 : Inona no alina tsara indrindra ao anatin'ny taona iray?

V11 -Lailatoul-Quadri.

F12 : Inona no ataonao rehefa mahita ireo vehivavy ivelan'ny fianakavianao?

V12 : Ny tsy maintsy atao dia mampihondrika ny fijery, hoy i Allah manao hoe : - (Teneno amin'ireo mpino lahy mba hampidina ny fomba fijerin'izy ireo). [Sourate An-nour : 20].

F13 : Iza ireo fahavalon'ny olombelona?

1- Ny fanahy izay mamporisika amin'ny fanaovan-dratsy : Izany dia fanarahan'ny olonana izay lazain’ny tenany sy ny faniriany amin’ny tsy fankatoavana an’i Allah ilay Tsitoha, hoy i Allah manao hoe : - (Ny sitrapo dia mamporisika amin'ny ratsyraha tsy hoe noho ny famindram-pon'ny tompoko, tena marina fa mpamela heloka sy mpamindra fo ny tompoko). [Sourat Youssouf : 52]. 2- Ny satana (devoly) : Fahavalon'ireo taranak'i Adama (A.S) ary ny tanjony dia hanary sy handrebireby ny olombelona amin'ny haratsiana ary hampiditra azy ireo ao amin'ny Afobe. Hoy i Allah manao hoe : - (Ary aza manaraka ny famindran'ny devoly ianareo, tena marina izy io dia fahavalonareo mibaribary). [Sourat Al-Baquara : 168]. 3- Ireo namana ratsy : Manentana amin'ny ratsy, manakana amin'ny fanaoavana tsara. Hoy i Allah manao hoe : - (Amin’io andro io, dia ho mpifahavalo avokoa ireo mpinamana, afa-tsy ireo vonto-pinoana). [Sourat A-zouhrouf : 67].

F14 : Inona no atao hoe Fibebahana?

V14 - Ny fibebahana : dia fiverenana avy any amin’ny tsy fankatoavana an’i Allah avo Tsitoha ho any amin'ny fankatoavana azy. Hoy i Allah manao hoe : (Ary tena mpamela heloka tokoa aho, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làlana mahitsy. [Sourat Twaha : 82].

F15 : Inona avy ireo fepetra takiana amin'ny fibebahana marina?

V15 - 1- Ny fiatahana tanteraka amin'ilay fahotana.
2-Ny fanenenana tamin'ny fanaovana ilay fahotana.
3-Ny fanapahan-kevitra ny tsy hiverina intsony amin’ilay fahotana.
4-Famerenana zon'ny olona nalainao ho any amin'ny tompony.
Niteny i Allah manao hoe :
135 - (Ary ireo rehetra nanao fahavetavetana na nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka nahatsiaro an’i Allah ka nangataka avy hatrany famelana noho ireo heloka vitany, Ka iza moa no hamela heloka azy afa-tsy i Allah, ka tsy hamerina intsony izay nataony izy ireo ary efa fantatr'izy ireo izany". [Sourate-Àl-'imran : 135].

F16 : Inona no dikan'ny vavaka sy tso-drano alefa amin'ny Mpaminany (S.A.W)?

V16 : io dia midika fa mangataka amin’i Allah ianao mba hiderana sy hanomezana tso-drano ho an'ny Mpaminaniny (S.A.W) any amin’ny Avo indrindra.

F17 : Inona no dikan'ny fiderana an'i Allah (Soubhanallahi)?

V17 - Ny fiderana an'i Allah midika ho fanomezam-boninahitra sy fiderana azy manalavitra ny tsy fahampiana, lesoka sy kilema ary ny haratsiana rehetra.

F18 : Inona no dikan'ny fisaorana an'i Allah (Alhamdoulillahi)?

V18 : Izay io dia fiderana sy fankasitrahana an’i Allah ilay Tsitoha, sy ny famaritana Azy amin’ny toetra feno tanteraka.

F19 : Inona no dikan'ny teny hoe : i Allah no lehibe indrindra (Allahou Akbar)?

V19 : Izany dia midika hoe : Izy Allah no lehibe manoloana ny zava-drehetra, be voninahitra, avo, Tsitoha, ary matanjaka manoloana ny zava-drehetra.

F20 : Inona no dikan'ny teny hoe : Lahawla Oa-la Kowata illa Billahy?

V20 - Izany dia midika fa tsy misy zavatra mandalo sy miova eo amin'ny fiainan'ny mpanompo iray, ary tsy misy hery ho azy afa-tsy avy amin'i Allah irery ihany.

F21 : Inona ny dikan'ny fangataham-pamelana (Asitaghafirou-llahi)?

V21 : Fangatahan'ny mpanompo iray amin'ny tompony mba hamafana ny fahotany sy hanaronana ny fahadisoany.